Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Katsaho ny haneho ny endrik'i Jesôsy.

Daty
Alahady 27 July 2025

 " Izay milaza fa mitoetra ao Aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa." — 1 Jao. 2:6.

Mofon’aina:
Endrey ny fitiavana sy ny fikarakarana nasehon'Andriamanitra, fa fony tsy mbola nangataka ny famin-drampon'Andriamanitra akory isika dia efa vonona ny handray an-tanana ny fanavotana antsika i Kristy! Fankatoavana tsy misy fepetra anefa no takin'ilay Dokotera lehibe amintsika tsirairay avy. Tsy antsika ny mamantatra izay fanafody ilaintsika. Ilaina fehezin'i Kristy manontolo ny sitrapo sy ny asantsika raha tsy izany dia tsy afaka hisalovana ho antsika Izy. (…)

 Mety hihevitra tahaka an'i Nikodemosy isika fa marina sy mahitsy ny fiainantsika sy ny fiton-drantenantsika, ka tsy ilaintsika ny mampietry ny fontsika eo anatrehan' Andriamanitra toy ny mpanota. Tsy maintsy mionona anefa isika fa tahaka ny fomba hidiran'ny lohan'ny mpanota amin'ny fiainana ihany no hidirantsika amin'izany koa. Tsy maintsy maty ny "izaho". Tsy ilaintsika ny mitoky amin'ny fahamarinan'ny tenantsika, fa amin'ny fahamarinan'i Kristy. Izy no herintsika sy fanantenantsika.

 Ny finoana marina dia arahin'ny fitiavana, (...) fitiavana izay mandravona ny olana sy manandratra antsika ho ambonin'ireo zava-poana ataon'i Satana eny amin'ny lalantsika mba hanem-bantsembanana antsika. Arahin'ny fankatoavana koa ny fitiavana. (...)

 Izao no atao hoe tonga mpianatr'i Kristy: mandà tena ary manaraka an'i Jesôsy na amin'ny mora na amin'ny sarotra. Mandrindrina ny varavarana tsy hidiran'ny avonavona, ny fitsiriritana, ny fisalasalana, ary ny ota hafa izany, izany hoe fandroahana ny fifandrafiana, ny fankahalana ary ny asan'ny ratsy rehetra. Fandraisana an'i Jesôsy ao am-po izany, dia Ilay malemy fanahy sy tsy miavona am-po sady miandry fatratra ny hampandrosointsika. (...)

I Jesôsy no môdely feno sy tanteraka ho an'ny taranak'olombelona (...) Ny lehilahy na ny vehivavy izay manolokolo indrindra ny fitiavana an'i Kristy ao amin'ny fanahiny, ary maneho tsara indrindra ny endrik'i Kristy, no olona marina sy mendrika ary be voninahitra indrindra eo imason'Andriamanitra. "Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy" — Rôm. 8:9b. ST, 14 Jolay, 1887. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (42)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal