Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanantenana ho an'ny lavo

Daty
Alatsinainy 28 July 2025

 "Fa mba hohavaozina kosa hianareo amin'ny fanahin'ny sainareo, ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an 'Andriamanitra amin 'ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana." — Efes. 4:23,24.

Mofon’aina:
Tamim-pahatokiana no naninian'i Kristy ny faharatsiana. Tsy mbola nisy nankahala ny ratsy tahaka Azy, ary tsy mbola nisy niteny mafy ny faharatsiana tamin-kasahiana toy izay nataony. (...) Tao amin'ny famirapiratan'ny fahadiovany no nahitan'ny olona fa ambany sy bitika ary ratsy ny fikasan'izy ireo, kanefa nitaona azy ireo hanatona Azy Izy. Fantany ny tombambidin'ny olombelona satria Izy no namorona azy. (...) Ao amin'ny olona tsirairay, na dia lavo aza izy ireo, no ahitany zanak'Andriamanitra izay azo averina indray hanana tombontsoa hifandray amin'Andriamanitra. (...)

 Rehefa mijery ny taranak' olombelona sy ny fijaliany ary ny fitotonganany i Kristy, dia mahita toerana ho an'ny fanantenana eo amin'izay heverina fa tsy misy antenaina sy raya. (...) Fitahiana fa tsy mba fanamelohana no entiny ho an'ireo fanahy nozahan-toetra sy resy ary mihevitra ny tenany ho very sy efa ambavahoana. (Jao. 3:17).

Tamin'ny alalan'ny teny hoe "sambatra" no niarahabany ny taranak'olombelona; (...) ny firarian-tsoa mahazatra any amin'ny tontolon'ny hazavana no nampiasainy.

Toy ny fiboiboiky ny rano avy teo amin'ny loharano nihidy nandritra ny fotoana ela no nanononan'ireo molony fitahiana.

Tamin'ny fandavana ireo rehaka sy ny fahafaham-pon'ny tena eto amin'izao tontolo izao no nilazany fa ireo izay notahina dia handray ny fahazavany sy ny fitiavany, na toy inona na toy inona ilain'izy ireo. Natsotrany ny tanany ary hoy Izy: "Mankanesa aty Amiko (...) ary Izaho hanome anareo fitsaharana." - Mat. 11:28, amin'ireo malahelo am-panahy sy ireo ory ary ireo enjehina.

Fahafaha-manao tsy hita fetra no hitany ao amin'ny olombelona tsirairay. Hitany fa azon'ny olona atao ny ho voaova noho ny fahasoavany ho amin'ny "fahasoavan’ny Tompo Andriamanitray." - Sal. 90:17. Tamim-panantenana no nijereny azy ireo sy nampitany fanantenana taminy. Nahazo ny fitokian'izy ireo Izy noho ny nanatonany azy ireo tamim-pitokiana. (...) Nifoha ny faniriana vaovao tao amin'ny fo izay toy ny maty ny amin'ny zava-masina rehetra. Nanokatra fiainam-baovao ho an'ireo olona maro tratry ny hakiviana izany. — Fk, tt. 84,85. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal