Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manokàna fotoana hivavahana sy handinihana ny Teny.

Daty
Talata 29 July 2025

 "Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin'ny tsilo; dia ireo no ilay nandre ny teny, fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filana ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy." — Mar. 4:18,19.

Mofon’aina:
Lazain'i Kristy manokana ny zavatra mampidi-doza ny fanahy. Araka ny voalazan' i Marka dia nofaritany "ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filana ny zavatra hafa". (...) Ireo no mangeja ny teny sy ny fitomboan'ny voa ara-panahy. (...) 

Tsy misy antokon'olona afaka amin'ny fakam-panahy mikasika ity fiahiahiana momba izao fiainana izao ity. Ho an'ny mahantra, dia ny asa mafy sy ny tsy fahampiana ary ny tahotra ny fahantrana no mitondra fahasahiranan-tsaina sy enta-mavesatra. Ho an'ny manan-karena dia tonga ny tahotra ny ho very fananana sy ahiahy feno tebiteby isan-karazany. Betsaka amin'ny mpanaraka an'i Kristy no manadino ny lesona nibaikoany antsika hianarana ny amin'ny voninkazo eny an-tsaha. Tsy matoky ny fikarakarany mandrakariva izy ireo. (...)

Maro amin'ireo izay mety hanam-bokatra eo amin 'ny fanompoana an'Andriamanitra no miforitra eo amin'ny fitadiavan-karena (...). Tsy maintsy miasa ny Kristianina, tsy maintsy mandray anjara amin'ny asa aman-draharaha, ary afaka hanao izany izy nefa tsy hanota. Nefa betsaka no variana loatra amin'ny asa aman-draharaha ka tsy manana fotoana hivavahana, tsy manana fotoana ianarana ny Baiboly, tsy manam-potoana hitadiavana sy hanompoana an'Andriamanitra. Indraindray manina ny fahamasinan'ny lanitra ny fanahy; nefa tsy misy fotoana ialana amin'ny horakorak'izao tontolo izao mba hihainoana ny filazana miezinezina sy feno fahefana avy amin'ny Fanahin'Andriamanitra. (...) Tsy azon'ny voan'ny teny atao ny mamokatra; satria ny ain'ny fanahy dia voagejan'ny tsilon'ny toetra araka izao tontolo izao. 

Ary betsaka ireo izay miasa ho an'ny hafa, no latsaka amin'ny fahadisoana toy izany. Miasa ho an'ny hafa izy; mitambesatra ny adidiny, maro ny andraikiny ka avelany atao an-tsirambina ny firaisana amin' Andriamanitra amin'ny alalan'ny vavaka sy ny fianarana ny teniny. (...) Misara-dalana amin'i Kristy izy, tsy vonton'ny fahasoavan'ny Tompo ny fiainany ka miseho ireo toetra manokana mampiavaka ny fitiavan-tena. — HF, tt. 38,40. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (24)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal