Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fifaliana hita eo amin'ny zavaboary.

Daty
Zoma 01 August 2025

 "Ary Andriamanitra nanao ny maina hoe tany; ary ny rano tafangona nataony hoe ranomasina. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany." — Gen. 1:10.

Mofon’aina:
Feno hatsaran-tarehy ny tany raha nivoaka -avy teo an-tanan'ny Mpamorona. Nisy tendrombohitra, havoana sy lohasaha; ary namakivaky azy ireny ny renirano sy ny ranobe. Tsy natao ho lohasaha mitomandavana ny tany, fa nasiana havoana sy tendrombohitra mba ho samy hafa ny vohon'ny tany. (...) Tsy mba hita teo ambonin'izy ireny ny vatolampy avobe sy miranirany, fa niafina tao anatin'ny tany, tahaka ny taolany.

 Nifandanja tsara ny fipariahan'ny rano. Ny havoana, ny tendrombohitra ary ny lohasaha tsara tarehy dia noravahan' ny zava-maniry sy voninkazo, ary hazo mijoalajoala isan-karazany (...). Madio sy mahasalama ny rivotra, ary tahaka ny lapa tsara tarehy ny tany tamin'izany fotoana izany. (...)

Rehefa nohariana ny tany sy ireo biby nonina teo aminy, dia tanteraka ny fikasan'ny Ray sy ny Zanaka, izay efa voaomana nialoha ny fahalavoan'i Satana, dia ny hanao olombelona araka ny endriny. (...) Ary hoy Andriamanitra tamin'ny Zanany hoe: "Andeha isika hamorona olona tahaka ny endritsika" (Gen. 1:26). Raha nivoaka avy teo an-tanan'ny Mpahary azy i Adama, dia nanana tsanganana mendri-kaja sy rafi-batana kanto tokoa. Izy dia lava avo roa heny mihoatra ireo lehilahy ranjanana velona teto an-tany, sady nanana vatana mirindra tsara. Tonga lafatra sy tsara tarehy ny bikany. Ny fihodirany tsy mba fotsy na manopy mavo fa zarazara mamirapiratry ny haren'ny fahasalamana. I Eva dia latsaka kely noho i Adama amin'ny halavana. Mahatratra hatreo amin'ny sorony mihoatra kely ny haavon'ny lohany. Miendrika andriana koa izy, tonga lafatra ny bikany, ary tena tsara tarehy.

Tsy mba nanao fitafiana namboarin' olombelona ireo mpivady tsy nanana ota ireo; nampiakanjoina tamin'ny fanaronan'ny hazavana sy voninahitra izy ireo, dia tahaka ny fitafian'ny anjely. (...) Na dia feno fahatanterahan'ny fahatsarana aza ny zava-drehetra noforonin'Andriamanitra, ary tsy nisy tsy noharian'Andriamanitra teto an-tany mba hahasambatra an'i Adama sy i Eva, dia mbola naneho ny fitiavany lehibe Izy tamin'ny alalan'ny fanaovany saha iray ho azy ireo manokana (...). —ST, 9 Janoary 1897. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal