Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Asa goavana ao anatin'ny fotoana fohy

Daty
Zoma 26 September 2025

 "Ary niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino; ary tsy nisy nanonona ny fananany ho azy na dia iray aza, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany." - Asa. 4:32.

Mofon’aina:
Mila misiônera izao tontolo izao, dia misiônera eo an-toerana feno fanoloran-tena, ary tsy hisy olona na iray aza ho voasoratra ao amin'ny bokin'ny lanitra ka tsy manana toe-tsaina misiônera. Tsy afaka manao na inona na inona anefa isika raha tsy hamasinina ny herintsika. Raha tsy ao ny toe-tsaina misiônera, ka manomboka mihena ny zotom-po ho an'ny asan'Andriamanitra, dia hiompana amin'ny fitandremana sy ny fitsitsiana ny fananana ny votoatin'ny teny torintsika sy ny drafitra ataontsika, ary hisy fihemorana tokoa eo amin'ny asa misiônera. 

Aoka tsy hahena ny asa, fa aoka ny fivoriana rehetra hotarihina amin'ny fomba izay maneho fahavononana mitombo, hamita ny asa lehibe fampitandremana izao tontolo izao, na dia mety hitaky fandavan-tena sy fahafoizana aza izany. Raha ao amin'ny mambra tsirairay izao fisainana izao: "Tsy izaho no tompon'ny tenako, fa olom-boavidy aho," dia hahatsiaro ny rehetra fa manana adidy masina hampivelatra ny fahaizana tsirairay nomen'Andriamanitra azy, sy hampitombo isan-taona isan-taona ny fahazoana mampiasa azy. Ary amin' izany rehetra izany dia tsy misy fialan-tsiny azo ekena noho ny fanaovana tsirambina ny ara-panahy. (...)

Iza amintsika no mahafantatra sy mahita, amin'ny alalan'ny masom-panahiny, ny ady mangotraka mitranga eto amin'izao tontolo izao, izay ifanaovan'ny herin'ny tsara sy ny herin'ny ratsy? (...) Tahaka ny fahitan'ireo anjelin'ny lanitra azy ve ny fahitanareo io fifanandrinana io? 

Raha mba izay rehetra mitonona ho mpanara-dia an'i Kristy mantsy no fantsom-pahazavana velona ho an' izao tontolo izao, vonton'ny Fanahin' Andriamanitra, manana fo feno mitafotafo ny hafatry ny filazantsara, sy tava mamirapiratry ny fanoloran-tena amin'Andriamanitra sy ny fitiavana ny hafa, dia akory ny asa ho vita ao anatin'ny fotoana fohy! Tsy hiteny amim-pihambahambana na fisalasalana ireo mpitondra hafatry ny fahamarinana fa amim-pahasahiana sy amin-toky. Hahatonga faharesen-dahatra ao am-pon'ny mpihaino azy na ny lantom-peony aza. — RH, 23 Aogôsitra 1892. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal