Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mpitarika mampianatra fanavaozana.

Daty
Alakamisy 02 October 2025

"Avia, ka jereo ny asan’Andriamanitra, mahatahotra ny zavatra ataony amin'ny zanak'olombelona." Sal. 66:5. 

Mofon'aina

Manoratra tantara ny fiangonana. Ny andro tsirairay dia ady sy fanatrarana tanjona. Manafika antsika manodidina ireo fahavalo tsy hita maso; ka na isika handresy noho ny fahasoavana omen’Andriamanitra antsika, na isika ho resy. Entaniko ireo izay mbola misalasala ny amin’ny fanavaozana ara-pahasalamana mba hio va fo. Sarobidy ity fahazavana ity, ary ny Tompo dia maniraka ahy hampirisika ireo izay manana andraikitra amin’ny asan’Andriamanitra na sehatra inona izany na inona, mba handray ny hafatra ka ny fahamarinana no hanana ny toerana ambony ao amin’ny fo sy eo amin’ny fiainana. Ary amin’izany ihany no haharesena ny fakam-panahy izay sedraina eto an-tany.

Nahoana ny sasany amin’ireo pasitorantsika no tsy rototra amin’ny fanavaozana ara-pahasalamana? Satria ny toromarika momba ny fahalalana onony amin’ny zavatra rehetra dia mifanohitra amin’ny fomba fiainany sy ny fanaranam-po ataony. Indraindray dia izany no vato misakana lehibe tsy ahafahana mitarika ny olona hianatra sy hampihatra ary hampianatra ny fanavaozana ara-pahasalamana. Tsy misy olona afaka hotendrena ho mpampianatra ny vahoaka kanefa ny fampianarany sy ny ohatra asehony dia manohitra ny fampianarana izay nomen’Andriamanitra ny mpanompony ny amin’ny fomba fisakafo, satria hitarika fifanjevoana izany. Izay tsy manaiky ny fanavaozana ara-pahasalamana dia tsy mendrika ho isan’ny mpitondra hafatr’Andriamanitra.

(...) Ny fiangonana tsirairay, ny fianakaviana tsirairay, dia tokony hampianarina ny atao hoe fahalalana onony kristianina. Tokony ho fantatry ny tsirairay ny fomba fihinana sy fisotro mahasalama. Eo am-piatrehana ny fiafaran’ny tantaran’izao tontolo izao isika ankehitriny, ary tokony ho asa mirindra no hita eo amin’ny laharan’ireo mpitandrina ny Sabata. Ireo izay manalavitra ny asa lehibe fampianarana ny olona ny amin’ity lohahevitra ity, dia tsy mandeha amin’ny lalana itarihan’Ilay Mpanasitrana Lehibe ny vahoakany. "Dia hoy Jesôsy tamin’ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy." – Mat. 16:24.

Nasehon’ny Tompo ahy fa maro no ho afaka amin’ny fitotonganana ara-batana, ara-tsaina sy ara-moraly amin’ny alalan’ny hery miasa mangina mivantana avy amin’ny fanavaozana ara-pahasalamana. (...) – RH , 18 Jona 1914.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (24)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal