Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mpitarika mampianatra fanavaozana.

Daty
Alakamisy 02 October 2025

"Avia, ka jereo ny asan’Andriamanitra, mahatahotra ny zavatra ataony amin'ny zanak'olombelona." Sal. 66:5. 

Mofon'aina

Manoratra tantara ny fiangonana. Ny andro tsirairay dia ady sy fanatrarana tanjona. Manafika antsika manodidina ireo fahavalo tsy hita maso; ka na isika handresy noho ny fahasoavana omen’Andriamanitra antsika, na isika ho resy. Entaniko ireo izay mbola misalasala ny amin’ny fanavaozana ara-pahasalamana mba hio va fo. Sarobidy ity fahazavana ity, ary ny Tompo dia maniraka ahy hampirisika ireo izay manana andraikitra amin’ny asan’Andriamanitra na sehatra inona izany na inona, mba handray ny hafatra ka ny fahamarinana no hanana ny toerana ambony ao amin’ny fo sy eo amin’ny fiainana. Ary amin’izany ihany no haharesena ny fakam-panahy izay sedraina eto an-tany.

Nahoana ny sasany amin’ireo pasitorantsika no tsy rototra amin’ny fanavaozana ara-pahasalamana? Satria ny toromarika momba ny fahalalana onony amin’ny zavatra rehetra dia mifanohitra amin’ny fomba fiainany sy ny fanaranam-po ataony. Indraindray dia izany no vato misakana lehibe tsy ahafahana mitarika ny olona hianatra sy hampihatra ary hampianatra ny fanavaozana ara-pahasalamana. Tsy misy olona afaka hotendrena ho mpampianatra ny vahoaka kanefa ny fampianarany sy ny ohatra asehony dia manohitra ny fampianarana izay nomen’Andriamanitra ny mpanompony ny amin’ny fomba fisakafo, satria hitarika fifanjevoana izany. Izay tsy manaiky ny fanavaozana ara-pahasalamana dia tsy mendrika ho isan’ny mpitondra hafatr’Andriamanitra.

(...) Ny fiangonana tsirairay, ny fianakaviana tsirairay, dia tokony hampianarina ny atao hoe fahalalana onony kristianina. Tokony ho fantatry ny tsirairay ny fomba fihinana sy fisotro mahasalama. Eo am-piatrehana ny fiafaran’ny tantaran’izao tontolo izao isika ankehitriny, ary tokony ho asa mirindra no hita eo amin’ny laharan’ireo mpitandrina ny Sabata. Ireo izay manalavitra ny asa lehibe fampianarana ny olona ny amin’ity lohahevitra ity, dia tsy mandeha amin’ny lalana itarihan’Ilay Mpanasitrana Lehibe ny vahoakany. "Dia hoy Jesôsy tamin’ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy." – Mat. 16:24.

Nasehon’ny Tompo ahy fa maro no ho afaka amin’ny fitotonganana ara-batana, ara-tsaina sy ara-moraly amin’ny alalan’ny hery miasa mangina mivantana avy amin’ny fanavaozana ara-pahasalamana. (...) – RH , 18 Jona 1914.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal