Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Omeny fahasalamana sy fanamaivanana

Daty
Alatsinainy 20 October 2025

"Dia tonga tao Mara izy, fa tsy nahasotro ny rano tao Mara, satria nangidy izany; koa izany no nanaovany ny anarany hoe Mara. Dia nimonomonona tamin'i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Inona no hosotroinay?" - Eks. 15:23,24.

Mofon’aina:
Nisy lesona tian' ny Tompo hampianarina ny Zanak' Isiraely tao Mara dia fanoharana ny aretina mahazo ny olombelona noho ny fahotana. Iaraha-mahalala fa ianjadian'ny aretina maro karazany ny mponina eto an-tany. Izany dia vokatry ny tsy fankatoavany ny lalàn' Andriamanitra (...).

Nandika ny lalàn'Andriamanitra toy izany ny Zanak'Isiraely. Noravan'izy ireo ny fefy izay nataon'Andriamanitra hiarovana azy ireo amin'ny aretina, hiainan'izy anatin'ny fahasalamana sy fahamasinana, hianarany ny amin'ny fankatoavana nandritra ny diany tany an'efitra. (...)

Nandeha teo ambany fitarihan'i Kristy manokana ireo, izay nanao sorona ny Tenany hananany vahoaka tsy manadino an'Andriamanitra, na dia eo aza ny fakam-panahy avy amin'i Satana. Nohodidinin'i Kristy tao amin' ny andry rahona izy ireo, satria faniriany ny hitahiry izay rehetra manao ny sitrapony tao ambanin'ny elatry ny fiarovany.

Tsy kisendrasendra ny nahatongavan'ny Zanak'Isiraely teo amin'ny rano tao Mara. Talohan'ny niaingan'izy ireo tany Egypta dia natombok' Andriamanitra ny fampianarana azy ireo, mba hitarihany azy hahatakatra fa Izy no Andriamaniny, mpanafaka sy mpiaro azy ireo.

Nimonomonona tamin' i Mosesy sy tamin' Andriamanitra izy ireo, kanefa mbola nezahin' Andriamanitra ny haneho tamin'izy ireo ny  fahavononany hanamaivana ny manatona Azy. (...)

Rehefa tonga teo amin'ny ranon'i Mara izy ireo, "dia nimonomonona tamin'i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Inona no hosotroinay? Ary dia nitaraina tamin'i Jehôvah izy, ka dia nanehoan'i Jehôvah hazo anankiray,ary rehefa natsipiny tao anatin'ny rano izany, dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan'i Jehôvah lalàna sy fitsipika ho azy, ary tao no nizahany toetra azy." (...) Na dia tsy hitan'ny mason'olombelona aza, dia Andriamanitra no mpitarika sy mpanasitrana lehiben' ny Zanak'Isiraely. (...)

I Kristy no Ilay Mpitsabo lehibe. Tsy ny vatana ihany no sitraniny, fa ny fanahy koa. Mamerina antsika amin' Andriamanitsika Izy. Navelan' Andriamanitra horatraina ny Zanany lahy tokana, mba hikoriana avy amin'ny feriny ny hery manasitrana ny aretintsika rehetra. — MR, 15:29-31.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal