"Koa ataovy tsara ny hazo mbamin'ny voany, na ataovy ratsy ny hazo mbamin'ny voany; fa ny voany no ahafantarana ny hazo." - Mat. 12:33.
Mofon’aina:
Nanana fahamboniana teo amin'ny toe-batanai Adama sy i Eva, ary tonga lafatra teo amin'ny hatsaran-tarehy. Tsy nanam-pahotana izy ireo ary tanteraka ny fahasalamany. Akory ny fifanoheran'izany amin'ny taranak' olombelona ankehitriny! Rava ny fahatsarana. Hadino izany atao hoe fahasalamana tanteraka. Izay rehetra itopazan'ny maso dia aretina, faharatsiana, hadalana. (...).
Hatramin'ny fahalavoana dia nisy hatrany ny tsy fahalalana onony amin'ny endriny rehetra. Ny filana no mifehy fahaiza-mandanjalanja. Mizotra amin'ny lalan'ny tsy fankatoavana ny taranak'olombelona ary, toa an'i Eva, dia voatarik'i Satana hanao tsinontsinona ny fandrarana nataon' Andriamanitra, mamita-tena amin'ny fiheverana fa tsy mahatahotra araka izay niheverana azy ny vokatry ny tsy fankatoavana. Ny taranak'olombelona dia mandika ny lalàn'ny fahasalamana ary manaram-po tafahoatra saika amin'ny zavatra rehetra. Nitombo tsy ankijanona ny aretina. Niseho ny vokatry ny natao.
Ireo razambentsika voalohany dia nomen'Andriamanitra sakafo natao hohanin'ny taranak'olombelona. Mifanohitra amin'ny planin' Andriamanitra ny fandatsahana ny ain'ny zavaboariny. Tsy natao hisy fahafatesana tao Edena. Ireo voankazo tao Edena dia sakafo mifanaraka amin'izay nilain'izy ireo. Tsy nanome lalana ny amin'ny hihinanana hena Andriamanitra raha tsy efa taorian' ny Safodrano. (...)
Maro ireo talanjona ny amin'ny fitotonganan' ny taranak'olombelona (...) Tsy takatr'izy ireo fa ny fandikana ny lalàm-panorenan' Andriamanitra ny fandikana ny lalàn'ny fahasalamana no nahatonga izany. Ny fandikana ny didin' Andriamanitra no nampiala ny tànan' Andriamanitra izay manome fanambinana. Ny tsy fahalalana onony amin'ny fihinana sy fisotro, sy ny fanaranam-po amin'ny filana ambany no nahadonto ny fahaiza-mandinika, ka nanjary napetraka hitovy laharana amin'ny zavatra tsotra ny zavatra masina. (...)
Maro ireo nanantena ny hiarovan'Andriamanitra azy amin'ny aretina satria mangataka Aminy fotsiny ny hanovany izany. Kanefa tsy nohenoin' Andriamanitra ny vavak' izy ireo, satria tsy tanteraka tamin'ny alalan'ny asa ny finoan'izy ireo. Andriamanitra dia tsy hanao fahagagana hiaro ny fahasalaman'ireo izay tsy mikarakara ny tenany fa manohy manitsakitsaka ny lalàn'ny fahasalamana sady tsy manao ezaka hisorohana ny aretina (...), dia ireo izay manana fitondran-tena azo antoka fa hitondra azy ho amin'ny tsy fahasalamana. — RH, 2 Avrily 1914.