Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mahalala onony amin'ny zavatra rehetra

Daty
Alahady 26 October 2025

"Araka ny hafatratry ny faniriako sy ny fanantenako fa tsy hahazo henatra aho, na amin'inona na amin'inona; fa amin'ny fahasahiana rehetra, tahaka ny amin'ny mandrakariva, dia ankehi triny koa no hankalazana an'i Kristy ao amin'ny tenako, na amin'ny fiainana, na amin'ny fahafatesana. "- Fil. 1:20.

Mofon’aina:

Maro ireo mandeha eo ambanin’ny aloky ny fahafatesana ankehitriny no niomana hanao asa ho an'ny Tompo, kanefa tsy tsapan'izy ireo ny adidy masina mipetraka aminy mba hitandremany ny lalan’ny fahasalamana. Tena lalàn'Andriamanitra tokoa ny lalàn'ny fahasalamana; kanefa toa hadino izany fahamarinana izany.

Misy ireo mampihatra fomba fisakafo voafetra izay tsy hitondra fahasalamana ho azy ireo. Tsy soloany sakafo be otrikaina ireo sakafo mankarary izay nialany ;  ary tsy nosainin’izy ireo fa ilaina ny fahamalinana sy ny fahaiza-mikaroka eo amin’ny fikarakarana sakafo amin’ny fomba izay mahasalama indrindra. (...)

Maro eran'izao tontolo izao ireo olona mamela ny fahazarana manimba hanjaka. Ny filana no lalàna mifehy ny fiainany; ary noho ny fahazaran-disony dia takona ny fahatakarany ara-moraly, sady misy fahasimbana be ny fahaizany manavaka ny zava-masina. Kanefa ilain'ny Kristianina ny manana fahalalana onony hentitra. Tokony hapetrany ambony ny fenitra hotratrariny. (...) Foto-kevitra no tokony hibaiko fa tsy filana sy haitraitra. (...)

Midika zavatra maro ny fahatokiana amin'Andriamanitra. Manana fitakiana amin'ireo rehetra izay mandray anjara amin'ny fanompoana Azy Andriamanitra. Faniriany ny hihazonana ny saina sy ny vatana ao anaty fahasalamana tanteraka, ary ny hery sy ny fahafaha-manao rehetra ho eo ambanin'ny fifehezan'Andriamanitra, ary hotehirizina ho matanjaka araka izay azo atao amin'ny alalan'ny fahazarana voakajy sy hentitra. Adidintsika amin'Andriamanitra ny manolotra tanteraka tsy misy fepetra ny tenantsika ho Azy. (...). Ny tanjatsika sy ny fahafaha-manaontsika rehetra dia tokony hampitomboina sy hatsaraina tsy an-kiato amin'izao fotoana fizahan-toetra izao. (...)

(...) Ny fahalalana onony amin'ny  fisotro, torimaso sy fitafy dia anisan'ny foto-kevitra lehiben'ny fiainana ara-pivavahana. Ny fahamarinana ampitoerina ao amin'ny tempolin'ny fanahy dia hibaiko ny fikarakarana ny vatana. Tsy misy azo atao tsinontsinona izay rehetra mahakasika ny fahasalaman'ny olombelona. Ny mandrakizay dia miankina amin'ny fampiasantsika eto amin'izao fiainana izao ny fotoantsika, ny herintsika sy ny hery miasa mangina ananantsika. — RH, 11 Jona 1914.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal