Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miantraika amin'ny saina ny sakafo

Daty
Alatsinainy 27 October 2025

"Dia, indro, hotanterahiko tokoa ny fanasitranana azy, eny, hositraniko izy, ary hasehoko aminy ny haren'ny fiadanana sy ny fahamarinana." - Jer. 33:6.

Mofon’aina:
Fony aho vao nandray ny hafatra momba ny fanavaozana ara-pahasalamana dia narefo aho sady nalemy, matetika aho no tratry tsi-fahatsiarovan-tena. Nitalaho fanampiana tamin’ Andriamanitra aho dia novelariny teo anatrehako ny lohahevitra lehibe momba ny fanavaozana ara-pahasalamana.

Nampianariny ahy fa ireo izay mitandrina ny didiny dia tsy maintsy tarihina hanana fifandraisana masina Aminy, ary amin'ny alalan'ny fahalalana onony amin'ny fomba fihinana sy fisotro dia tsy maintsy kolokoloin’izy ireo

Tsy manoritra fitsipika manokana natao harahina izahay ny aminny fomba fisakafo; kanefa ambaranay fa ao amin'ireo firenena izay ahitana betsaka voankazo, voamaina sy voa, dia tsy sakafo sahaza ho an'ny vahoakan‘ Andriamanitra ny  hena. Nampianarina ahy fa ny hena dia mitarika ny olona hanana toetram-biby, manaisotra ao amin'ny olona ny fitiavana sy ny fitsinjovana izay tokony ho tsapany ho an'ny hafa, ary mahatonga ny filana ambany ho zary  mifehy ny hery ambony ananan'ny tena.

Nahasalama ny fihinanan-kena fahiny, saingy tsy azo antoka intsony izany ankehitriny. Anisan'ny antony lehibe mahatonga homamiadana sy aretin'ny havokavoka, ny fihinanan-kena.

Tsy tokony hatao ho fisedrana ny fahatokiana ao am-piangonana ny fihinanana na tsy fihinanan-kena, kanefa tokony hosaintsainintsika ny hery miasa mangina miantraika amin'ny hafa avy amin'ireo mpino milaza ho mihinan-kena.

Amin'ny maha-mpitondra hafatr' Andriamanitra antsika, moa va tsy hanambara amin'ny olona isika hoe "na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr' Andriamanitra izany rehetra izany" - 1 Kôr.10:31?

Moa ve tsy hitory am-pahasahiana isika ny amin'ny maha-ratsy ny fanaranam-po amin'ny filana mivaona? Ny mpiasan’ny filazantsara, izay mitory ilay hafatra miezinezina indrindra nomena ny taranak'olombetona mety maty, ve no hitaona ny olona hiverina amin'ny fitiavan-kenan'i Egypta? (…)

Tokony horaisina ho zava-dehibe ny fahasalaman"ny vatana, tahaka ny maha-zava-dehibe ny fitomboana amin'ny fahasoavana sy ny fananana toetra mirindra. (...) Mifampiankina ny vavony sy ny fitatitry ny atidoha. Ny fahadisoana eo amin'ny fomba fihinana sy fisotro dia mitarika fahadisoana eo amin'ny fomba fisainana sy fanao. — RH, 3 Marsa 1910.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal