Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mikolokolo ny herim-batana sy saina

Daty
Alarobia 29 October 2025

"Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’ Andriamanitra? Ka tsy tompon’ny tenanareo hianareo." - 1 Kôr. 6:19.
Mofon’aina:
Harena Iehibe ny fahasalamana. lo no fananana sarobidy indrindra ananan’ny olombelona mety maty. Katsahin'ny olona fatratra ny fananana materialy, ny voninahitra sy ny fahalalana, na dia hamoizany ny fahasalamany aza izany. Tsy misy amin'izy ireny anefa afaka hiantoka fahasambarana raha tsy eo ny fahasalamana. Fahotana lehibe ny fanimbazimbana ny fahasalamana izay nomen Andriamanitra antsika. Ny fanimbazimbana rehetra atao amin'ny fahasalamana dia mandemy antsika sy hananantsika fatiantoka na dia mahazo fahalalana be aza isika. (...)

Noho ny antony maro, ny fahantrana dia fitahiana; satria izany dia miaro ny tanora sy ny ankizy tsy hidonana-poana. (...) Ny zavatra voalohany izay tokony hokatsahin'ny ray aman-dreny mandrakariva dia ny hananan’ny zanany vatana tomady, mba ho lehilahy sy vehivavy matanjaka izy ireo any aoriana. Tsy ho tratra na oviana na oviana izany tanjona izany raha tsy misy fampiasam-batana atao.

Mahatsara ny ankizy, ara-batana sy ara-moraly, ny hampianarana azy hiasa, na dia tsy ho fitadiavam-bola aza izany. Mba hananan’ izy ireo toetra madio sy mendrika dia tsy maintsy ataony ho fitsipi-piainany ny asa vatana voarindra izay hampatanjaka ny hozatra rehetra amin'ny tenany. (...)

Tsy misakana ny hikolokoloana ny ara-tsaina ny asa ara-batana. Tsy izany mihitsy. Ny tombontsoa avy amin’ny asa ara-batana dia hampifandanja ny maha-olona ary hiaro ny saina tsy ho reraka loatra. Hiampita any amin'ny hozatra ny harerahana ka hanamaivana ny atidoha. (…)

Ilaina ny manana vatana tomady mba hananana saina tomady. Ny vatana tomady sy ny fanaovana tsara ireo andraikitra ao an-tokantrano dia tsy misakana velively ny fivelarana ara-tsaina; samy tena ilaina avokoa ireo ho an'ny vehivavy.

Tokony hampiasaina sy kolokoloina ny herin'ny saina manontolo mba hananan'ny lehilahy sy vehivavy saina mirindra tsara. Maro eto amin'izao tontolo izao ireo lehilahy sy vehivavy manana fisainana mitanila; izany dia vokatry ny ikolokoloany ny ampahany fotsiny amin'ny fahaiza-manaony fa ny ampahany hafa kosa navelany ho simba noho ny fidonanaham-poana. - TFC b. 3, tt. 150-153.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal