"Koa raha misy famporisihana ao amin' i Kristy, raha misy fampiononana avy amin 'ny fitiavana, raha misy firaisana amin'ny Fanahy, raha misy famindrampo sy fiantrana, dia tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra." –Fil. 2:1,2.
Mofon’aina:
Tsaroako tsara, rehefa nipetraka tao Carroll House (...) teo akaikin'ny siniben-drano izahay, dia nivory tao anatin'ny efitrano lehibe iray tao amin'io trano io ireo tanora niasa teo amin'ny tanin'ny sekoly (...) mba hanatanteraka fotoam-pivavahana ho an'ny mpianakavy. Rehefa niara-nivavaka izahay, dia fantatray fa teo anivonay ny Fanahy Masina.
Nitady ny Tompo tamin'ny fonay iray manontolo izahay, ka tonga tena teo akaikinay mihitsy Izy. Nangatahinay ilay teny fikasana manao hoe: "Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dondony, dia hovohana hianareo." – Mat. 7:7. Tsy mafy orina va io toky io? Nentinay niaraka taminay tao amin'ny toeram-pivavahana io teny fikasana io, ka nangatahanay ny Tompo mba hitarika sy hanoro lalana anay ny amin'ny asa tokony hatao. (...)
Raha misy malemy finoana aminareo, dia tsarovy fa ny antony dia satria tsy miasa amim-pitokiana tsara ianareo. Aoka isika tsy hieritreritra fa afaka hanatanteraka ny asan'Andriamanitra be voninahitra kanefa tsy manana finoana matanjaka sy tsy azo hozongozonina. (...) Miasa amin'ezaka mafy i Satana satria fantany fa kely sisa ny fotoana ananany. (...) Vitsy an'isa ihany ny vahoakan'Andriamanitra raha oharina amin'ireo ratsy fanahy, ka rehefa miara-miasa amin' ireo anjely ihany isika vao hahazo fahombiazana. (...)
"Deraina Andriamanitra, izay ikorianan'ny fitahiana rehetra." Raha misokatra any amin'ny toerana samihafa ny asa, dia enga anie ka hotsaroantsika mandrakariva fa tokony handray anjara amin'izany koa isika. Tokony hibebaka sy hiova fo tsy misy hataka andro ireo izay nanabe ny tenany hanana eritreri-dratsy. (...) Tsarovy fa rehefa manana fisainana toy izany ianao, ka miampanga sy manameloka, dia manamboatra toerana ho an'ny tafiky ny herin'ny maizina. (...)
"Tsy manao na inona na inona amin'ny ,fifampiandaniana, na mandrani-tena foana "–Fil. 2:3. I Satana no ao ambadiky ny fifampiandaniana sy ny fandranitan-tena rehetra. Andao isika hiala amin'ny laharany, ka hijoro miaraka amin'ireo izay milaza hoe: "Ho antsika ny fandresena, ka hiantehitra amin'ny sandrin'ny hery tsy manam-pahataperana isika." — RH, 15 Jona 1905.