"Ary raha mihaino ireo fitsipika ireo hianareo ka mitandrina sy manaraka azy, dia hotanterahin’i Jehovah Andriamanitrao aminao ny fanekena sy ny famindrampo, izay nianianany tamin'ny razanao." – Deo. 7:12.
Mofon’aina:
Noho ny antony manokana, dia tsy tia manome toromarika ara-pivavahana ho an'ny zanany ny ray aman-dreny maro, ka avelany ao amin'ny Sekoly Sabata izy ireo no handray ny fahalalana. Tombontsoa sy adidin'izy ireo anefa ny mampita izany amin'ny zanany. Tsy mahatanteraka ny andraikitra napetraka taminy, dia ny hanome ny zanany fanabeazana feno, ny ray aman-dreny toy izany. Mandidy ny vahoakany Andriamanitra mba hitaiza ny zanany amin'ny famaizana sy ny fananaran'ny Tompo. (...)
Aoka ho tsotra ny toromarika omenareo ny zanakareo, ary aoka ho azonareo antoka fa takatr ' izy ireo mazava tsara izany. Ny lesona ianaranareo avy amin'ny Tenin'Andriamanitra dia tokony hasehonareo amin'ny fomba mazava ka ho takatr'izy ireo marina izany. Azonareo atao ny mampianatra azy ireo hampifanaraka ny fiainany amin'ny fenitra ambony indrindra amin'ny alalan'ny lesona tsotra nosintonina avy ao amin'ny Tenin'Andriamanitra sy amin'ny alalan'ny fanandraman'izy ireo manokana. (... )
Tokony homem-boninanitra amin'ny alalan'ny fanatitra marain-tsy hariva Andriamanitra, dia vavaka sy fiderana isaky ny tokantrano kristianina tsirairay.
(...) Adidin'ny ray aman-dreny ny manisy fefy manodidina ny zanany, maraina sy hariva, amin'ny alalan'ny vavaka mafana sy ny finoana feno faharetana.
Ao amin'ilay fiangonana ao an-tokantrano no tokony hianaran'ny ankizy mivavaka sy mitoky amin'Andriamanitra. (...) Nomena izao toromarika izao ny Isiraelita manoloana ny didin'Andriamanitra: "Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha." – Deo. 6:7.
Manatòna an'Andriamanitra amim-panetren-tena, amin'ny fo feno fitiavana sy amin'ny fahatsapana ireo fakam-panahy sy loza manoloana anareo sy ny zanakareo; ento eo amin'ny alitara amin'ny alalan'ny finoana izy ireo, ka angataho ny fikarakaran'ny Tompo azy ireo. Ampianaro hanonona vavaka tsotra ny ankizy. Lazao azy ireo fa faly Andriamanitra rehefa miantso Azy izy ireo.
Handalo fotsiny ny tokantrano tahaka izany ve ny Tompon'ny lanitra ka tsy hitondra fitahiana ao? Tsia! Hiaro ny ankizy atokana ho an'Andriamanitra tahaka izany ireo anjely manompo. (...) — CPTS, tt. 109,110.