Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fotoam-pivavahana mitondra firindrana

Daty
Sabotsy 15 November 2025

"Nefa iza no mahatanty ny andro hihaviany? Ary iza no mahajanona, raha miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon'ny mpandrendrika sy ny savonin'ny mpanasa lamba." –Mal. 3:2.

Mofon’aina:
Manakaiky faingana ny fiafaran'ny tantaran'ny tany isika. Tena akaiky ny farany, akaiky lavitra noho izay heverin'ny maro, ka mahatsiaro tena aho fa manana andraikitra ny hananatra ny olontsika fa ilaina ny mitady ny Tompo amim-pahamatorana. Matory ny maro, ary inona no azo lazaina mba hamohazana azy ireo amin'ny faharenohany (...)? Hodiovin'ny Tompo ny fiangonany mialoha ny hahatongavan'ny fitsarany amin'ny fahafenoany kokoa eto amin'izao tontolo izao. (...) 

Hanaisotra ny lamban'ny fihatsaram-belatsihy rehetra i Kristy. Tsy misy fampifangaroana ny marina sy ny sandoka afaka mamitaka Azy. "Tahaka ny afon'ny mpandrendrika" Izy, ka mampisaraka ny sarobidy sy ny tsy misy vidiny, ny tain-drendrika sy ny volamena. 

(...) Mpisorona avokoa ny tena Kristianina marina. Ny rehetra dia omem-boninahitra amin'ny andraikitra masina ny haneho amin'izao tontolo izao ny toetran'ny Rainy any an-danitra. Tokony hitandrina tsara ireto teny ireto izy ireo: "Koa amin'izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra."– Mat. 5:48 (…) 

Nomena toromarika aho mba hanentana (...) ny vahoakantsika fa ilaina ny fivavahana ao an-tokantrano. Tokony hisy fiheverana mamy sy feno fangorahana mandrakariva eo amin'ny mpianakavy. Aoka hiray ao anatin'ny fotoam-pivavahan'ny mpianakavy anjakan'ny fanajana ny fo rehetra isa-maraina sy isan-kariva. Mandritra ny fotoam-pivavahana amin'ny hariva, dia aoka handinika tsara ny fony ny mpianakavy tsirairay. Aoka harenina ny tsy mety rehetra natao. Raha nandratra ny olona iray ny anankiray hafa, na niteny tamim-pahasiahana, dia aoka hangataka famelana amin'ilay naratra izay nanao hadisoana. Matetika no kolokoloina ao an-tsaina ny alahelo, ary miforona ny tsy fifankahazoana sy ny aretim-po, izay tsy tokony ho nisy. Raha omena tombontsoa fanararaotra ilay anankiray izay ahina ho nanao hadisoana, dia tokony ho afaka hanome fanazavana izay hanamaivana ny ankilany izy. 

"Koa mifaneke heloka hianareo, ary mifampivavaha"– Jak. 5:16, mba ho sitrana amin'ny fahalemena ara-panahy rehetra, ary mba hiova ny toetra feno fahotana ao anatinareo. Miasà amim-pahazotoana hahazoana ny mandrakizay. Mivavaha amim-pahamatorana amin'ny Tompo, ary hazony mafy ny finoana (...) — RH, 8 Nôvambra 1906.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal