Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 15 November 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Nom. 13:6, 30-32; Jos. 14:6-14 Lio. 18:1-5; Jos. 19:49-51; 2 Kor. 3:18; Rôm. 12:1,2.

Tsianjery:

"Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin Andriamanitra tamínareo; hevero ny niafaran'ny fiainany, ka araho ny finoany." - Heb. 13:7.

Mahalala avokoa ny ray aman-dreny rehetra fa mianatra amin'ny alalan'ny ohatra aseho azy ny zanaka, sa tsy izany? Firy amin'ireo ray aman-dreny no efa nitebiteby nahita ny zanany nanaraka ny toetra ratsiny fa tsy ny toetra tsarany? Na firy taona isika na firy, dia hitantsika fa mora kokoa ny manao ratsy noho ny manao tsara. Tsy inona fa ampahany amin'ny atao hoe: voary lavo izany. "Fa tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no ataoko." Rôm. 7:15. Iza no tsy mahatsapa izany?

Manomboka amin'ny fahazazany dia ny ohatra aseho azy no mamolavola ny olombelona. Amin'ny alalan'ny fakantsika tahaka ireo izay akaiky indrindra antsika no ahaizantsika ireo zavatra fototra eo amin'ny fiainana, toy ny mamindra, ny miteny ary ny maneho fihetseham-po. Ary na efa olon-dehibe aza isika, dia mbola mila modely ihany, ary na tsy lavorary aza izy ireo, dia azontsika dinihina sy alain-tahaka ireo toe-panahy izay nahatonga azy ho olo-malazan'ny finoana.

Hodinihintsika lalina kokoa amin'ity herinandro ity ny ohatra manokana nasehon'ireo olo-malazan'ny finoana roa ao amin'ny bokin'i Josoa, dia i Kaleba sy i Josoa. Inona no nampiavaka azy ireo tamin'ny androny, sy nahatonga azy ireo nitana anjara toerana lehibe teo amin'ny fiainan'ny vahoakan'Andriamanitra tao anatin'ireo vanim-potoana anisan'ny lehibe indrindra teo amin'ny tantaran'ny Isiraely?

*Famerenana ny lesona ny sabata 22 Novambra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal