Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mibebaha, ary raiso ny fahamarinana

Daty
Zoma 05 December 2025

 "Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dondòny, dia hovohana hianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. "- Lio. 11:9,10.

Mofon’aina:
Tsy maintsy atolotra tanteraka ho an'Andriamanitra ny fo   mba hahafahany manavao sy manamasina antsika, ary manao antsika ho mendrika ny lapany any an-danitra. Tsy tokony hiandry fotoana manokana isika, fa izao anio izao no tokony hanolorantsika tena ho Azy (...). Heverinao ve fa azonao atao ny hiala tsikelikely amin'ny fahotana? Ilaozy indray mandeha izay zavatra voaozona! Ankahalao izay zavatra tsy tian'i Kristy, tiavo kosa izay zavatra tiany. Tsy efa nanomana ny fanadiovana anao amin'ny fahotana ve Izy tamin'ny alalan'ny fahafatesany sy ny fahoriany?

Rehefa manomboka mahatsapa isika fa mpanota ka mianjera eo amin' ilay Vatolampy ary torotoro, dia mamihina antsika ilay Sandry mandrakizay, ary sintonina hanakaiky ny fon'i Jesosy isika. Amin'izay, dia ho babon'ny Toetrany mafia-te ho tia isika ary hamparikoriko antsika ny faharnarinantsika. (...)

Hoy i Jesosy: "Sambatra ny malahelo am-panahy fa azy ny fanjakan 'ny lanitra. "– Mat. 5:3. Feno Fahasoavana ao amin'Andriamanitra ary azontsika atao ny mahazo ny Fanahiny sy ny Heriny amin'ny fatra feno. Aza mivelona amin'ny voa poakatin'ny fanamarinan-tena, fa manatôna an'Andriamanitra; manana ny akanjo tsara indrindra azony atafy anao Izy, ary mitsotra handray anao ny sandriny (...)

Ny tenin' Andriamanitra no manaporofo ny Fisiany. Tsy mita miandry fihetseham-po miavaka ianao vao hino fa mandre anao Andriamanitra. Tsy tokony ho fepetra iankinan'ny finoanao ny fihetsehampo satria miovaova toy ny rahona izany. Mila manana zavatra mafy orina ianao mba hanorenana ny finoanao. Manana hery tsy manam-petra ny Tenin' Andriamanitra; ary efa nilaza Izy hoe: "Mangataha dia omena hianareo". Banjino i Kalvary. Tsy efa nilaza ve i Jesosy fa Izy no Mpisolovava anao? Tsy efa nilaza ve Izy fa raha mangata-javatra amin'ny Anarany ianao dia ho azonao izany?

 Tokony hanatona an'Andriamanitra ianao amin' ny maha-mpanota mibebaka anao, amin'ny anaran'i Jesosy Ilay Mpisolovava avy any an-danitra, mankeo amin' ilay Ray mpamindra fo sy mpamela heloka, sady mina fa hataony izay efa nampanantenainy. (...) — BE, 01 Avrily 1893.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal