"He hianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin'ny rano! Ary hianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homema! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena." – Isa. 55:1. C
Mofon’aina:
Lavo i Davida fa natsangan'Andriamanitra izy. Nanom-boka teo, dia nivelona nanakaiky kokoa an'Andriamanitra sy ny rahalahiny izy noho ny tamin'ny lasa. Faly izy tamin'ny fampiononana azony ka nihira hoe: "Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloka tsy mba nafeniko, hay izaho: hiaiky ny fahadisoako amin Jehôvah aho; ary Hianao, dia namela ny heloky ny fahotako, Hianao no fiereko, miaro ahy tsy ho azon'ny fahoriana Hianao; fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy (...)" - Sal. 32:5-7.
Misy olona betsaka mimonomonona fa manao ny tsy rariny Andriamanitra raha namela ny heloka bevava nataon'i Davida, nefa nanilika an'i Saoly nanao fahotana izay noheveriny fa tsy dia manao ahoana loatra. Hadinon'izy ireo mantsy fa nanetry tena sy niaiky heloka i Davida, fa i Saoly kosa nanamavo ny fananarana sy nikiribiby tao amin'ny fahotana.
Misy dikany lehibe ho an'ny mpanota mibebaka io andalana teo amin'ny tantaran'i Davida io. Io no anankiray amin'ireo sary anazavana mahery vaika indrindra omena antsika maneho ireo tolona sy fakam-panahy atrehin'ny taranak' olombelona, mbamin'ny fibebahana marina amin' Andriamanitra ary ny finoana an'i Jesôsy Kristy Tompontsika. Ny zava-nihatra tamin'i Davida dia nanjary loharanon-kery nandritra ny taonjato rehetra nifandimby ho an'ireo fanahy lavo tao amin'ny fahotana ka nitolona te ho afaka teo ambany vesatry ny fanamelohana azy. (...)
Na iza na iza anarin'Andriamanitra ka hampietry ny fanahiny amin'ny fiaiken-keloka sy ny fibebahana, tahaka izay nataon' i Davida, dia mahazo matoky fa misy fanantenana ho azy. (...) Tsy mba holavin'ny Tompo mihitsy ny fanahy iray tena mibebaka marina. Efa nanome ity teny fikasana ity Izy: "Aoka hifikitra amin'ny heriko kosa izy, ka hihavana amiko; eny, aoka hihavana amiko izy"– Isa. 27:5. "Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin 'i Jehôvah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, eny, ho amin'Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy" – lsa. 55:7.- PM, ed 2025, t. 727.