" Tomoera Amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, dia toy izany koa hianareo, raha tsy miray amiko. "Jao. 15:4.
Mofon’aina :
Tsy fifandraisana tsindraindray amin’i Kristy no ilaina, fa ny fitoerana ao Aminy. Niantso anao Izy mba hitoetra ao Aminy. Tsy fitahiana iainana ao anatin’ny fotoana fohy no atolony anao, fitahiana izay tsapa indraindray eo am-pikatsahana ny Tompo ary levona eo am-panaovanao ny raharaha fanaonao eo amin’ny fiainana. Tsy izany, fa ny fitoerana ao amin’i Kristy dia manamaivana ny adidy tokony hatao rehetra, satria efa nentiny ny enta-mavesatra rehetra. (...)
Aza manalavitra an’i Kristy, tahaka izay ataon’ireo mitonona ho Kristianina ankehitriny. Azo tanterahina tokoa ny hoe: "Tomoera amiko ary Izaho aminareo." Ary tsy ho nanao izany fanasana izany i Jesôsy raha tsy azo notanterahina izany. (...) Mifandray amin’ny asa tsirairay ataonao ny fitahiana arotsany. Moa ve ianao hanosi-bohon-tanana an’i Kristy? Hoy Izy: “izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy.” – Jao. 6:37. Hoy indray Izy amin’ny sokajin’olona hafa: “Kanefa tsy mety manatona Ahy hianareo hanananareo fiainana." – Jao. 5:40. (...)
Moa ve izaho sy ianao mahatakatra amin’ny fahafenoany ny antsom- pahasoavana hoe: “Mankanesa aty Amiko”? Hoy Izy: “Tomoera Amiko" fa tsy hoe: “Mitoera miaraka Amiko.” (...) Harotsany maimaimpoana avokoa ireo fitahiany ho an’izay rehetra manatona Azy mba hananana fiainana. (...) Toy ny rano indray mitete ao anatin’ny siny lehibe ny firesahana indray mandeha monja amin’i Kristy. Tombontsoa lehibe no anananao ao amin’ny Fanatrehany tsy miato; izany no haka ny toeran’ny tombontsoa mandalo izay hadino mandritra ny fotoana anaovanao ny raharahanao eo amin’ny fiainana. (...) Moa ve ny tebiteby sy ny fahaverezan-kevitra ary ny fiahiahiana mampanalavitra anao amin’i Kristy? Moa ve isika tsy miantehitra kokoa amin’Andriamanitra rehefa ao amin’ny toeram-piasantsika, any an-tsaha, na eny an-tsena? (...) Hitoetra ao aminao i Jesôsy Tompo ary Ianao ao Aminy, eny amin’ny toerana rehetra. – Ms 194, 1898.