" Izaho no voaloboka, hianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. " Jao. 15:5.
Mofon’aina :
Io fanoharana io no maneho an-tsary indrindra ny fifandraisan’i Kristy amin’ny vahoaka mpino. – RH, 18 Septambra 1900.
Tonga iray amin’i Kristy izay rehetra mandray Azy amim-pinoana. Tsy mifatotra amin’ny voaloboka ny sampana, na mifandray aminy amin’ny alalan’ny fatorana namboamboarina. Mikambana amin’ny voaloboka izy ireo, mba ho iray aminy. Ny fakan’ny voaloboka no mamelona azy, koa izay mandray an’i Kristy amin’ny finoana dia tonga iray Aminy amin’ny foto-kevitra sy ny asa. (...) Ao amin’Ilay Fiainana no anovozan’izy ireo aina.
Mety azo averimberina ny batisa, kanefa raha ny batisa fotsiny dia tsy manan-kery hanova ny fon’olombelona. Tsy maintsy miray amin’ny fon’i Kristy ny fo, tsy maintsy milefitra amin’ny Sitrapony ny sitrapo, ary tsy maintsy iray amin’ny Sainy ny saintsika (...) Iankinan’ny ain’ilay olom-baovao ny firaisana amin’i Kristy. Ny sampana dia manovo ny haniny avy amin’ny voaloboka ka mitondra voa; tahaka izany koa no iraisan’ny tena mpino marina amin’i Kristy ka hiseho eo amin’ny fiainany ireo vokatry ny Fanahy. Tonga iray amin’ny voaloboka ny sampana ka tsy hahapaoka azy ny tafiotra ary tsy hahasimba azy ny fanala. Tsy misy mahasaraka azy amin’ny voaloboka. Sampana velona izy, ary mitondra voa. Tahaka izany koa ny mpino, amin’ny teny sy ny asa tsara no anehoany ny toetran’i Kristy. (...)
Efa nomen’i Kristy ny fomba hahatonga ny fiainantsika manontolo hanana fifandraisana tsy tapaka Aminy, nefa amin’ny alalan’ny finoana velona ihany no hahatsapana ny Fanatrehany mitoetra. (...)
Aoka ny rehetra hisaintsaina momba ny fahatanterahana izay azony ananana, ka hametraka izao fanontaniana izao: moa ve milefitra amin’ny Sitrapon’i Kristy ny sitrapoko? Moa ve hita taratra eo amin’ny fiainako sy eo amin’ny toetrako ny fahafenoana sy ny haren’ilay Voaloboka velona – ny fahatsarany, ny famindrampony, ny fangorahany ary ny fitiavany? – RH, 18 Septambra 1900.