Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fifaliana sy fiononana

Daty
Zoma 08 May 2026

«Endrey ny hamamin'ny teninao, raha andramako! Mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza!» - Sal. 119:103.

Mofon’aina:
Nomen'Andriamanitra antsika ny Teniny ho fanilon'ny tongotsika sy fanazavana ny lalantsika. Iankinan’ ny fahombiazan’izay rehetra mety ho fifandraisantsika amin'ny hafa eo amin'ny fiainana ny fampianarany. Na dia eo amin'ny raharaha ara-nofo ataontsika eto an-tany aza, dia ho mpitari-dalana hendry kokoa noho ny mpanolo-tsaina hafa rehetra izany. (...)

Mitombo araka ny andinihana sy ianarana azy ny fahatsapana ny lanjan'ny Baiboly. Na aiza na aiza dinihin’ny mpianatra, dia ho hitany miseho ny fahendrena sy ny fitiavan'Andriamanitra tsy manam-petra. Ho an'izay niova fo marina, ny Tenin'Andriamanitra no fifaliana sy fiononana eo amin'ny fiainany. Miteny aminy ny Fanahin'Andriamanitra, ary ny fony dia toy ny saha vonton-drano.

Tsy misy zavatra hafa natao hanatanjaka ny saina toy ny fianarana ny Baiboly. (...)

Tsy misy fahalalana miorina tsara, mandresy lahatra, ary mahataka-davitra noho izay azo avy amin'ny fianarana ny Tenin'Andriamanitra. Raha tsy nisy boky hafa teto amin'izao tontolo izao, ny Tenin'Andriamanitra ivelomana amin'ny alalan'ny fahasoavan'i Kristy, dia hahatonga ny olona ho eto amin' ity tany ity, hanana toetra mendrika ny fiainana ho avy, dia ny fiainana mandrakizay. Izay mianatra ny Teny, mandray izany amim-pinoana ho fahamarinana, sy mampihatra izany ao amin'ny toetrany, dia ho tanteraka ao amin'i Kristy, Izay zavatra rehetra sady amin'ny rehetra. Misaora an'Andriamanitra noho ireo soa maro nataony ho azo tanterahina ho an'ny olombelona.

"Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hanananisika ny fanantenana amin 'ny .faharetana sy ny fiononana avy amin 'ny Soratra Masina" – Rôm. 15:4.

 "Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin 'izany, mba hiseho amin 'ny olona rehetra ny fandrosoanao" - 1 Tim. 4:15.

"Fa ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, amin’izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin 'ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny; fa ny tenin 'ny Tompo maharitra mandraki zay. Ary izany no tenin'ny filazantsara izay notorina taminareo." - 1 Pet. 1:24,25.

 Ny fotoana lany amin'ny fianarana ny Tenin'Andriamanitra sy amin'ny fivavahana dia ho voaonitra avo zato heny. – RH, 11 Jona 1908. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal