Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mahatsiarova ny andro Sabata

Daty
Alahady 24 May 2026

«Mahatsiarova ny andro Sabota hanamasina azy. Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory hianao amin 'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin 'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin 'ny andro fahafito; izany no nitahlan'i Jehovah ny andro Sabota sy nanamasinany azy.» - Eks. 20:8-11.

Mofon’aina:
Mazava  ny didy fahefatra. Tsy tokony hanao ny asa fanao-ntsika andavanandro isika rehefa Sabata. Nomen'Andriamanitra henemana hiasana ny olona, fa natokany ho Azy kosa ny andro fahafito, ary nanonona fitahiana ho an' izay manamasina izany Izy. Tokony ho vita amin'ny andro fahenina, ny Zoma, avokoa ny fiomanana rehetra ilaina ho amin'ny Sabata, (...) ny fiantsenana, ny fandrahoana, ny fandroana, ny fanadiovana kiraro, ary ny fitafiana hanaovana. Mila fikarakarana ny marary rehefa Sabata, ary izay rehetra mety hilaina ho fanamaivanana ny fijaliany dia asam-pamindram-po, fa tsy fandikana ny didy tsy akory. (...) Nefa aoka tsy hanombinana amin'ny fanaovana ny asantsika manokana ny fotoana masina. 

Fanaovan'ny olona lanonana sy fitadiavam-pahafinaretana ny andro Alahady ankapobeny, nefa tian'ny Tompo hancha ohatra ambony sy masina kokoa ho an' izao tontolo izao ny vahoakany. Rehefa Sabata, dia tokony hanokan-tena ho an'Andriamanitra ny ankohonana, hiray amin'ny fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra amin'ny androny masina. (...)

Eo am-pizoranao ho any an-danitra, dia hanohitra mafy anao izao tontolo izao. (...) Hametraka sakana ny fahefana eto an-tany. Ho tojo zava-tsarotra ianao (...). Hotakin' ny olona aminao ny hanaraka lalàna sy fomba izay hahatonga anao tsy hahatoky amin'Andriamanitra. Amin' izany ny vahoakan'Andriamanitra no hahita hazo fijaliana eo amin'ny lalan'ny fiainana. Fa raha masina ny Sabatan'ny didy fahefatra, raha famantarana eo amin'Andriamanitra sy ny vahoakany tokoa izany, araka ny asehon'ny hafatry ny anjely fahatelo, dia tsy maintsy mitandrina tsara isika ny amin'ny teny sy ny asa rehetra ataontsika mba hanehoana ny voninahitr 'Andriamanitra. (...)

Hampianjera antsika nyriaka mahery mipaoka ho amin'ny fitotonganana raha tsy miray amin'i Kristy isika ka miorina mafy eo amin'Ilay Vatolampy. — Ms, 3, 1885. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal