«Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin'ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina. Fa raha mandeha eo amin 'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin 'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra.» - 1 Jaona 1:6,7.
Mofon’aina:
Araka ny fatram-pahazavana nomena antsika no hampamoahana antsika. Soritana mazava ny lalana mankany an-danitra ho an'izay mampiasa amim-pahatokiana ny fahalalana mety hananany momba ilay fiainana ho avy. (...) Diniho ilay fandikan-dalàna voalohany tao Edena. Nambara mazava tamin'i Adama sy i Eva ny lalàn'i Edena sy ny famaizana raha minia mandika izany izy. Tsy nankatô anefa izy ireo, koa tsy azo nihodivirana ny vokany. Tonga teto amin' izao tontolo izao ny fahafatesana. (...)
Raha nohajaina hatrany ireny didy ireny, dia tsy ho nisy ny fahotana. Fahafatesana mandrakariva no vokatry ny fandikan-dalàna. Noho i Kristy nahafoy ny ainy ho an'ny olona no tsy nampiharana avy hatrany ny didim-pitsarana nanameloka antsika ho faty. (...) Takin'ny fahamarinana ny handraisan'ny olona fahazavana, ary takiny koa ny famaizana ho an' izay mandà tsy handeha eo amin'ilay fahazavana avy any an-danitra, izay ny ain'ny Zanak'Andriamanitra, no sandany. Fitsipi-pitsarana marina ny hoe mifamatra amin'ny fahalalana nomena azy, izay tsy nampiasainy na nampiasainy tsy araka ny tokony ho izy, ny fahamelohan'ny mpanota. Ny handehanan'ny olona eo amin'ny mazava no andrasan'Andriamanitra aminy, ny hanaporofoany eo anatrehan'ny anjely sy ny olona fa manaiky an'i Kristy izy ireo ho fanavotana noho ny fahotany, ary manan-danja lalina sy fitahiana lehibe indrindra ho azy ny sorona nataony. (...)
Manan-kery hanao fitakiana amin'ny olombelona, ankehitriny sy mandrakizay, ny sorona nataon'Ilay Zanak'Andriamanitra ho famonjena ny taranaka lavo. Raha tsy niditra an-tsehatra Andriamanitra, raha tsy nanambara mazava ny sitrapony Izy, raha navelany hanana antony hanaovana tsirambina ny famonjena lehibe ny olona, dia ho azon'izy ireo natao fialan-tsiny ny tsy fahalalany. Saingy nataony mazava ny lalana. Tiany ho voavonjy ny olona rehetra. (...) Araka ny fahazavana nomena azy no itsarana ny tsirairay. (...) Nomen'Andriamanitra fahazavana ianao mba hotandrema-nao sy holalainao toy ny zava-masina. - L, 180, 1902.