Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ampamoahina

Daty
Talata 26 May 2026

«Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin'ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina. Fa raha mandeha eo amin 'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin 'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra.» - 1 Jaona 1:6,7.

Mofon’aina:
Araka ny fatram-pahazavana nomena antsika no hampamoahana antsika. Soritana mazava ny lalana mankany an-danitra ho an'izay mampiasa amim-pahatokiana ny fahalalana mety hananany momba ilay fiainana ho avy. (...) Diniho ilay fandikan-dalàna voalohany tao Edena. Nambara mazava tamin'i Adama sy i Eva ny lalàn'i Edena sy ny famaizana raha minia mandika izany izy. Tsy nankatô anefa izy ireo, koa tsy azo nihodivirana ny vokany. Tonga teto amin' izao tontolo izao ny fahafatesana. (...)

Raha nohajaina hatrany ireny didy ireny, dia tsy ho nisy ny fahotana. Fahafatesana mandrakariva no vokatry ny fandikan-dalàna. Noho i Kristy nahafoy ny ainy ho an'ny olona no tsy nampiharana avy hatrany ny didim-pitsarana nanameloka antsika ho faty. (...) Takin'ny fahamarinana ny handraisan'ny olona fahazavana, ary takiny koa ny famaizana ho an' izay mandà tsy handeha eo amin'ilay fahazavana avy any an-danitra, izay ny ain'ny Zanak'Andriamanitra, no sandany. Fitsipi-pitsarana marina ny hoe mifamatra amin'ny fahalalana nomena azy, izay tsy nampiasainy na nampiasainy tsy araka ny tokony ho izy, ny fahamelohan'ny mpanota. Ny handehanan'ny olona eo amin'ny mazava no andrasan'Andriamanitra aminy, ny hanaporofoany eo anatrehan'ny anjely sy ny olona fa manaiky an'i Kristy izy ireo ho fanavotana noho ny fahotany, ary manan-danja lalina sy fitahiana lehibe indrindra ho azy ny sorona nataony. (...)

Manan-kery hanao fitakiana amin'ny olombelona, ankehitriny sy mandrakizay, ny sorona nataon'Ilay Zanak'Andriamanitra ho famonjena ny taranaka lavo. Raha tsy niditra an-tsehatra Andriamanitra, raha tsy nanambara mazava ny sitrapony Izy, raha navelany hanana antony hanaovana tsirambina ny famonjena lehibe ny olona, dia ho azon'izy ireo natao fialan-tsiny ny tsy fahalalany. Saingy nataony mazava ny lalana. Tiany ho voavonjy ny olona rehetra. (...) Araka ny fahazavana nomena azy no itsarana ny tsirairay. (...) Nomen'Andriamanitra fahazavana ianao mba hotandrema-nao sy holalainao toy ny zava-masina. - L, 180, 1902. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal