Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Taratry ny any an-danitra

Daty
Alarobia 27 May 2026

 «Hoy Izy: Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra.» Heb. 8:5.

Mofon’aina:
Nanome lesona manan-danja ho an'ny vahoakany hatramin'izay ka hatramin'izao ny Tompo rehefa nanome toromarika an'i Mosesy teo an-tendrombohitra momba ny fanorenana ny tabernakely. Nitaky fahatanterahana hatramin'ny tsipiriany kely indrindra tamin'izany Izy.

Eo anivon'ny faharatsian' izao tontolo izao mihasahisahy, sy ny fampianaran-dratsy mihamahazo laka, dia tsy maintsy aseho mazava eo amin'ny fiainan'ireo lehilahy sy vehivavy niova fo ny fampianaran'i Kristy. (…)

Tokony hisaintsaina mandrakariva ny fiainana mandrakizay ny Kristianina amin'izay ataony rehetra. Na mikasika ny fambolena na fikirakirana milina ny asany, dia azony atao araka ny modely avy any an-danitra izany (...). Noho ny fahasoavan'i Kristy, ny zavatra rehetra dia natao hamolavolana fahatanterahan-toetra, tahaka ny an'i Kristy, ary omem-boninahitra Andriamanitra rehefa maneho ny foto-kevitry ny lanitra ny olony, na eo amin'ny fifandraisany amin'ny fiarahamonina na eo amin'ny fanaovany ny raharahany. (...)

Mitaky fahitsiana Andriamanitra, manomboka amin'ny zavatra bitika indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra. Ny lehilahy sy vehivavy, izay miezaka manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra an-tsipiriany, sy manao izay ahitana taratra ny any an-danitra eo amin'ny asa rehetra ataony etY an-tany, no hekena hiditra any an-dapan'ny lanitra amin'ny farany. (...)

Nidina tety an-tany ny Zanak'Andriamanitra mba ho hitan'ny lehilahy sy vehivavy ao Aminy ny atao hoe fahatanterahan-toetra, izay hany azon'Andriamanitra ekena. Noho ny fahasoavan'i Kristy dia efa natao ny fomba rehetra mba hamonjena ny taranak'olombelona. Azon'ireo mitonona ho Kristianina atao tokoa ny ho madio amin'ny asany rehetra, tahaka ny asan'i Kristy. Sarobidy eo imason'Andriamanitra toy ny Zanany malalany ny fanahy izay manaiky hatsarain'i Kristy sy maka ho an'ny tenany ny fahamendrehan'ny fiainan'i Kristy. — RH, 11 Janoary 1912.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal