Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fisedrana ny fitiavan-komana

Daty
Alatsinainy 06 July 2026

"Fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin'ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako." - 1 Kôr . 9:27.

Mofon’aina:
Taorian'ny batisany dia nankany an' efitra ny Zanak'Andriamanitra mba halain'ny devoly fanahy. Niaritra hanoanana mafy Izy nandritra ny enina herinandro teo ho eo. (...) Tsapany ny herin'ny fitiavan-komana eo amin'ny maha-olombelona, ary teo amin'ny toerantsika dia nalaim-panahy tamin'ny fomba henjana indrindra Izy tamin'io lafiny io. Azony ny fandresena teo, ary vitsy no tena mahatakatra izany. Ny herin'ny filan-kanina sy ny fahotan'ny fanaranam-po amin'izany dia tsy mety ho takatra raha tsy amin'ny fandinihana ny faharetan'ilay fifadian-kanina nataon'ny Mpamonjy mba handravana ny fahefan' izany (...).

Ny tsy fahalalana onony no fototry ny haratsiam-pitondrantena rehetra fantatra. Teo amin'izay niantombohan'ny fahasimbana indrindra no nanombohan'ny Mpamonjy ny asa fanavotana. Ny tsy fahalalana onony amin'ny sakafo no nahatonga ny fahalavoan'ireo ray aman-drenintsika voalohany. (...)

Hitan' ny Zanak'Andriamanitra fa tsy vitan'ny herin'ny olombelona samirery ny mandresy io fakam-panahy lehibe io (...). Tonga teto an-tany Izy hampiray ny herin'Andriamanitra amin'ny ezaka ataon'ny olombelona, mba hahafahantsika mandresy amin'ny aIalan'ny hery sy ny tanja-tsaina omeny antsika. Oh! Nietry tokoa Ilay Mpanjakan'ny voninahitra nidina teto amin'izao tontolo izao, niaritra ny hamafin'ny hanoanana sy ny herin'ny fakam-panahy avy amin'ny fahavalo fetsy, mba hahazoany fandresena ho an'ny olombelona. Izany no fitiavana tsy manam-paharoa. Noho ny amin'ny olombelona izany fietrena lalina izany, kanefa zara raha takatr' izy ireo.

 Tsy ny hanoanana ihany no tena nahamafy indrindra ny fahorian'ny Mpanavotra antsika. Nitambesatra indrindra tamin'ny fanahiny ny fahamelohana vokatry ny hatendan-kanina izay nahatonga loza lehibe teto amin'izao tontolo izao. (...)

Tamin'ny maha-olombelona Azy, dia sady nilanja ny vesatra maha-tsiravin'ny fahotana teo Aminy ny Mpamonjintsika, no nanohitra an'i Satana tao anatin'ny fakam-panahy lehibe izay mamery ny fanahin'ny olona. Raha resin'ny olona io fakam-panahy io, dia handresy amin'ny lafiny rehetra koa izy. — ST, 7 Aogositra 1879. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal