Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ento eo Aminy ny olan'ny fanambadiana

Daty
Zoma 17 July 2026

 "Fa hatramin'ny fony vao nanaovana izao tontolo izao dia lahy sy vavy no nanaovany ny olona. Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny." - Mar. 10:6,7.

Mofon’aina:
Matetika loatra no tsy ampy ny fandinihana mialoha ny hidirana amin'ny fanambadiana. Tsy misy olona voatery hanambady ao anatin'ny fisalasalana. Nefa raha tsy voadinika tsara izany raharaha izany ka efa tanteraka ny fanambadiana, ary mahatsapa ny tsirairay fa tsy mitovy toetra, ary mety hijinja fahoriana ho solon'ny fifaliana, dia aoka tsy hisy olona handre fa tsy tamim-pahendrena no nanaovana ilay fanambadiana. (...) Miharatsy hatrany ny toe-javatra rehefa misy iray amin'ny mpivady, na ny vavy na ny lahy, mahita olon-kafa izay toa mitovy fisainana aminy, ka sahy mamboraka amin'io olona itokiany io ny tsiambaratelon'ny fiainam-panambadiany. Tsy ilaina mihitsy izany fihetsika izany raha toa ka tia an'Andriamanitra ambonin'ny zavatra rehetra ny lahy sy ny vavy. (...)

Hita fa amin'ny ankamaroan'ny tranga izay heverina fa misy izany olana izany, dia ara-tsaina fotsiny ilay izy. (...) Raha nifampiresaka sy niara-nidinika tsara momba izany zavatra izany araka ny fisainan'i Kristy izy mivady, dia ho voavaha ny olana. (...) 
Maro no diso hevitra momba ny adidin'ny vavy amin'ny vadiny sy ny adidin'ny lahy amin'ny vadiny. Ny "izaho" no manjary mibahan-toerana, ary efa vonona i Satana (...) mamela-pandrika manodidina ny fanahin'ny olombelona, (...) ka toa tsy ho vitan'ny fahendren'olombelona ny hamaha sy hiala amin'izany ( ...).

Fa izay tsy vitan'ny fahendren' olombelona dia vitan'ny fahendren' Andriamanitra amin'ny alalan'ny fanolorana ny sitrapo, ny saina, ny fanahy, ny hery, ary ny tena manontolo ho eo an-tanan'Andriamanitra. Mahay mampiray ny fo amin'ny fatorana avy any an-danitra ny fitantanany. Ary ny vokatr'izany dia tsy fifanehoam-pitiavana na teny malefaka sy mandoka ivelambelany fotsiny. Ho fanandramana vaovao izany; manenona kofehy tsara sy matanjaka kokoa noho ny an'ny tany ny fanenoman'ny lanitra. Tsy lamba tsotra no akora ampiasaina, fa zava-mateza izay hahazaka ny sedran'ny fiainana; rojo volamenan'ny fitiavana marina no mampifamatotra tsara ny fo. — L, 76, 1894. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal