Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tontolo anjakan'ny fitiavana

Daty
Alahady 19 July 2026

 "Aoka ny lahy hanao izay mety hatao amin'ny vavy; ary mba toy izany koa ny vavy amin'ny lahy." - 1 Kor. 7:3.

Mofon’aina:
Tokony ho tombontsoa sy adidy ho an'ny mpivady ny mitahiry ireo marika fifanehoam-pitiavan' izy roa manokana ho tsiambaratelony. Na rariny aza mantsy ny fifanehoam-pitiavana, dia mety hisy akony ratsy eo amin'izay mijery, na ho an'ny manam-bady na ny mpitovo. Misy ireo izay manana fomba hafa tanteraka, hafa ny nanabeazana sy ny nampianarina azy, nefa tena mifankatia amin'ny fo sy amim-pahatokiana, tahaka ireo izay zatra maneho malalaka ny fifankatiavany ihany. Ary eto ny loza: mety hisy hanao fampitahana amin'izy ireo, ka manjary hotsaraina diso sy tsy ankasitrahana ireo mpivady izay tsy mampisehoseho fa mitahiry ny fifankatiavany. (...)

Tombontsoa lehibe sy adidy masin'ny Kristianina ny manao izay hahasambatra ny vadiny, na ny andaniny na ny ankilany; saingy misy tokoa ny loza raha ny "izaho" no manjary maka ny toerana rehetra, ka lany amin'ny fifanehoan'izy roa fitiavana fotsiny ny harena sy ny fitiavana rehetra.  Mamofompofona fitiavan-tena izany rehetra izany.

 Tsy tokony hohidiany ao amin'izy roa irery ny soa sy ny fitiavana, fa hohararaotiny kosa ny fotoana rehetra hanaovana soa amin'ny hafa, ka hizarany ny habetsahan'ny fitiavana madio sy masina ao aminy ho an' ireo fanahy sarobidy eo imason'Andriamanitra tahaka azy ireo ihany, satria novidina tamin' ilay sorona mandrakizain'ny Zanany lahitokana. Ho an'ny maro izay miady mafy sy mahatsiaro manirery, ny teny mamy, ny fangoraham-po, ny fankasitrahana, dia toy ny rano mangatsiaka amin'ny fanahiny reraka. Mety hanamaivana ny enta-mavesatra eo an-tsoroky ny sasany koa ny torohevitra sy ny fampitandremana ary ny fananarana avy amin'ny fo nohamasinin'ny fitiavana (...). Ny teny sy ny fihetsika tsirairay maneho hatsaram-panahy sy fiheverana ireo fanahy mifanerasera amintsika dia fanehoana ny fitiavana izay nitiavan' i Jesosy ny taranak'olombelona rehetra. - L, 76, 1894. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal