"Kanefa kosa mitandrema hianao, ka tandremo tsara ny fanahinao, fandrao hadinoinao ny zavatra izay efa hitan'ny masonao, ary andrao miala amin'ny fonao izany, amin'ny andro rehetra hiainanao, fa ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao izany." - Deo. 4:9.
Mofon’aina:
Misy asa fanomanana lehibe ankinina amin'ny ray aman-dreny rehetra izay milaza ho mino ny fiavian'i Kristy tsy ho ela, mba hahavonona azy sy ny zanany hitsena ny Tompo amin'ny fiaviany. Fanirian'Andriamanitra ny hahita ray aman-dreny mijoro tsara ho Azy, mba tsy hisy fahasimbana ny asa izay nankinina tamin'izy ireo, ary mba ho takatry ny ankizy sy ny tanorantsika mazava ny sitrapon'Andriamanitra ho azy. Mila mianatra manohitra ny ratsy sy mifidy ny marina izy ireo, hiala amin'ny fahotana, ary ho tonga mpanompon'Andriamanitra mahatoky, vonona hanolotra ho Azy ny fanompoana mendrika indrindra eo amin'ny fiainany.
Vitsy ny ray aman-dreny mahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fanomezana ohatra tsaran'ny fianam-bavaka ho an-janany. Mahomby lavitra noho ny fampianarana am-bava anefa izany. (...) Mila manana modely alain-tahaka eo amin'ny toetra tsara ny ankizy sy ny tanora raha tiany ny handresy ny fahotana sy hamolavola toetra kristianina tanteraka. Eo amin'ny fiainan'ny ray aman-dreniny no tokony hahitany izany modely izany. (...)
Tian 'Andriamanitra ny hanehoan'ny ray aman-dreny ohatra velona hitan'ny zanany ny amin'ireo foto-kevitra ao amin'ny Teniny. (...) Na hitaky fiezahana amim-pahatokiana sy vavaka tsy mitsahatra aza ny fihazonana ny tongotry ny zanany eo amin'ilay lalan-tery, dia azon'izy ireo atao tsara ny manabe ny ankizy sy ny tanora ho tia sy hanompo an'Andriamanitra. (...) Azo atao ny mampianatra azy ny foto-kevitry ny fahamarinana, didy anampy didy, fitsipika anampy fitsipika; kely et Si, ary kely erSi, mandra-pahatongan'ny faniriana sy ny fironan'ny fo hirindra amin'ny saina sy ny sitrapon'Andriamanitra.
Rehefa mahatsapa ny andraikitra mipetraka aminy ny ray sy ny reny, ary mamaly ny antson'ny Fanahin'Andriamanitra ho amin'io asa natao tsirambina io, dia hisy fiovana ho hita eo amin'ny tokantrano maro, izay hahafaly ny anjely. – RH, 12 Oktobra 1911.