Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Avy Aminy ny fananantsika rehetra.

Daty
Alakamisy 02 July 2026

"Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanatitra toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin'ny Anao ihany no nanomezanay Anao."- 1 tant. 29:14 

Mofon’aina:
Treo izay miaina eto an-tany dia tokony hikambana amin'ireo marobe any an-danitra amin'ny fanomezana ny voninahitra sy ny fiderana rehetra ho an'ny Mpamorona. Tsy misy olona tokony hirehareha na hanandra-tena (...).

Miasa tsy miato Andriamanitra mba hanarenana ny tsy fahatanterahan'ny olombelona. Na ny fibebahana aza dia vokatry ny fahasoavana. (...) Tsy tokony hisy handraisantsika dera izay rehetra ataontsika. (...)

Ny finoana koa dia fanomezana avy amin'Andriamanitra. Ny finoana dia faneken'ny sain' olombelona ny tenin'Andriamanitra, izany no mampifamatotra ny fo amin'ny fanompoana an'Andriamanitra. Ary an'iza moa ny fahatakaran'olombelona, moa ve tsy an'Andriamanitra? An'iza ny fo, moa tsy Azy koa? Ny hoe manam-pinoana dia mamerina amin'Andriamanitra ny saina sy ny hery izay noraisintsika avy Aminy. Araka izany, izay mampiasa finoana dia tsy tokony handray dera noho ny amin'izany na dia kely aza. Ireo izay manam-pinoana lehibe fa misy Ray any an-danitra azony itokiana amin'ny toky tsy misy fetra (...) dia tokony hanao izao fiaikena izao eo anatrehan'ny Mpanao azy: "Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin 'ny Anao ihany no nanomezanay Anao." (...)

Ny fahaiza-manao nomen'ny lanitra dia tsy tokony hampiasaina ho amin'ny tombontsoan'ny tena manokana. Ny hery rehetra, ny fanomezana rehetra, dia talenta tokony hampitomboana ny voninahitr 'Andriamanitra ka ampiasaina ho amin'ny fanompoana Azy. (...)

Aoka tsy hisy olona hitady hanandra-tena amin'ny firesahana momba ny asa vitany, na hanindrahindra ny fahaizany sy ny fahalalany ka hamboly fireharehana. (...) Tsy mba niseho ho matoky tena na nanandra-tena i Kristy.

Izay notoloran'Andriarnanitra fano-mezam-pahasoavana manokana dia tokony hamerina izay noraisiny ao amin'ny trano firaketan'ny Tompo, hozarainy amin'ny hafa amim-pahalalahan-tanana amin'izany ny soa avy amin'ireo fitahiana noraisiny. Izany no hanomezam-boninahitra sy hanajana an'Andriamanitra.- The Review and Herald, 1 Desambra 1904. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal