Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny hasarobidin'ny fahalemem-panahy

Daty
Alatsinainy 17 August 2026

"Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova no tany."- Mat. 5:5

Mofon’aina:
Toetra kristianina sarobidy ny fahalemem-panahy. Amin'ny fitondrana ny ziogan'i Kristy ihany no ianarana ny Fahalemem-panahiny sy ny Fanetren-tenany. (...)

Ny lanitra manontolo dia mijery ny tsy fisian'ny fahalemem-panahy sy ny fietren'ny fo. Ny fanandratan-tena sy ny fanambonian-tena no mahatonga ny olona hihevi-tena ho lehibe sy manan-danja ka tsy mila Mpamonjy ary tsy mila mitondra ny ziogan'i Kristy. Izao anefa ny fanasana miantefa amin'ny fanahy tsirairay: "Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an 'ny fanahinareo hianareo."- Mat. 11:29.

Ny herin'Andriamanitra dia miandry antsika hangataka azy. (...) Havaozina isa-maraina ary isan-kariva ny hery ara-panahy madio. Manandratra ny olona ambonin'ny faniriana araka izao tontolo izao izany ary mandroaka ny fitiavan-tena rehetra ao am-po. (...)

Nanimba fiainana maro ny fitiavan-tena sy ny fieremana. (...) Tsy mijery ny "izaho" intsony ireo izay mibanjina an'i Jesosy. Amin'ny masom-pinoana no ijereny Hay tsy hita. Mahita ny Mpanjaka ao amin'ny hatsaran-tarehiny ny masony ary hahatsinjo tany malalaka dia malalaka (Isa. 33:17). (...)

Vokatry ny asan'ny Fanahy Masina ny fileferana takin'i Kristy sy ny fampileferana ny sitrapo, izay manaiky ny fahamarinana ao amin'ny heriny manamasina ary mangovitra noho ny tenin'i Jehovah. Tsy maintsy mandalo amin'ny fiovana ny tena manontolo, ny fo, ny fanahy ary ny toetra. (...) Eo amin'ny alitaran'ny fahafoizan-tena ihany, ary avy eo an-tanan'Andriamanitra, no handraisan'ny olona tia tena sy mpierina ny fanilo avy any an-danitra, izay maneho ny tsy fahafahany manao na inona na inona ary mitarika azy hilefitra eo ambanin'ny ziogan'i Kristy ka hianatra ny Fahalemem-panahiny sy ny Fietreny.

Amin'ny maha-mpianatra antsika, dia ilaintsika ny mihaona amin'Andriamanitra eo amin'ny toerana voatendriny. Amin' izay no ametrahan'i Kristy antsika ho eo ambany fitarihan'ny Fanahy, Izy no mitarika antsika ho amin'ny marina rehetra sy mitaona antsika hampilefitra eo amin'i Kristy ny fiheverana ho mahavita tena. Izay teny eo am-bavan' i Kristy no ampitainy amin-kery lehibe amin'ireo fanahy mankato. Amin' izany no hanahafantsika Ilay Tompon'ny fahamarinana.- Ms, 94, 1899. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal