Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miomana hihaona amin'i Jesosy

Daty
Alatsinainy 31 August 2026

"Ary ankehitriny, anaka, tomoera ao aminy, mba hananantsika fahasahiana, raha hiseho Izy, ka tsy ho menatra eo anatrehany amin'ny fihaviany."- 1 Jao. 2:28

Mofon’aina:
Ny fahalalana an'Andriamanitra eto amin' izao fiainana izao ihany no ahafahantsika miomana hihaona Aminy amin'ny fiaviany. (...) I Kristy no fanehoana tonga lafatra ny momba an'Andriamanitra ao amin'ireo lesona nomeny sy ny asa lehibe nataony. 10 Kristy io no nanambara tamin'ny tsindrimandry nomeny ny mpanoratra ny filazantsara hoe: "Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran 'ny Ray, Izy no nanambara Azy."- Jao. 1:18. "Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy ny Zanaka sy izay tian 'ny Zanaka hanehoana Azy."- Mat. 11:27. Ireo teny ireo no maneho ny lanjan'ny fandinihana ny toetran'i Kristy. (...)

Amin'ny maha-solontenantsika Azy dia mijoro eo amin'ny toerana ambony indrindra i Kristy. Fony tonga teto amin'izao tontolo izao Izy (...) dia nitondra ny famonjen'Andriamanitra teo an-tanany. Napetraka teo an-tanany ny olombelona rehetra, satria tao Aminy no nitoeran'ny fahafenoan'ny fomban'Andriamanitra rehetra. (...)

Rehefa mibanjina an'i Kristy isika dia voaova hanahaka Azy ary von ,ana hihaona Aminy amin'ny fiaviany. Ankehitriny no fotoana hiomanana ho amin'ny fiavian'ny Tompontsika. (...) Ny fiambenana sy ny fiasana amin-kafanam-po no fiomanana ho amin'izany toe-javatra manetriketrika izany. Ny fikambanan'ireo roa ireo no mahatanteraka antsika ao amin'i Kristy. (...) Amin'izany no anomezan'ny zanany voninahitra an'Andriamanitra. Ao anatin'ireo raharahan'izao fiainana izao no handrenesana ny feon'izy ireo manao teny mitory fampaherezana sy fanantenana ary finoana. Hatokany ho an'i Kristy ny sitrapony sy ny fitiavany rehetra. Tahaka izany no iomanany hihaona amin'ny Tompony; ary rehefa ho avy Izy, dia hanao izao teny feno fifaliana izao izy ireo: "Indro Andriamanitsika, izay nandrasantsika hamonjy antsika." - Isa. 25:9 - RH, 20 Jolay 1897 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal