Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Amin’ny mason’ny finoana

Daty
Alarobia 17 April 2024

"Ary mba hampahiratina ny mason'ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin'ny fiantsoany sy izay herin'ny voninahitry ny lovany eo amin'ny olona masina." -Efes. 1:18.

Mofon’Aina:
Ny fahiratan-tsaina lehibe indrindra dia tsy mahasolo ary tsy hahasolo toerana ny tena fahatsoram-po sy ny tena fahamasinana. Azo ianarana tahaka ny taranja siansa ianaran'ny olombelona ny Baiboly; saingy ny hakantony, ny porofon'ny heriny mahavonjy ny fanahy mino, dia lesona tsy azo ianarana tahaka izany velively. Raha tsy ampiharina eo amin'ny fiainana ny Teniny, dia tsy ho voan'ilay sabatry ny Fanahy akory ny fo ara-nofo. (...) Mifehy azy loatra ny fihetseham-po, hany ka tsy tsapany loatra ny haranitr'ilay lelan-tsabatra izay manindrona sy mandrava ny fitoeran'ny fahotana, izay iankohofana amin'ny "izaho". (...)
Tsy maintsy ampahiratina ny mason'ny saina; ary ny fo sy ny fisainana atao mifandrindra amin'Andriamanitra, Izay fahamarinana. Izay mibanjina an'i Jesôsy amin'ny mason'ny finoana, dia tsy hahita voninahitra eo amin'ny tenany, fa ny voninahitr'Ilay Mpanavotra no miseho ao an-tsainy sy ao am-pony. Tanteraka ny fanavotana amin'ny alalan'ny rany, ary ho velom-pankasitrahana ny fo noho ny fahotana voakosoka. 
Terem-panahy hanolo-tena tanteraka ho an'Andriamanitra ilay olona nohamarinin' i Kristy, nandray ny fahamarinana, ka tafiditra ao amin'ny sekolin'i Kristy, mba hianarany Aminy — Ilay malemy fanahy sady tsy miavona am-po. Hameno ny fony ny fahalalana ny fitiavan'Andriamanitra. Hiloa-bava izy hoe: "Endrey izany fitiavany! Endrey ny fanetren-tenany!" Eo am-pamikirany amin'ny haren'ny teny fikasany dia tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra izy. Satria foana ny "izaho", dia mitosaka tsy misy mpanakantsakana ny onin'ny ranon'aina, ary mamirapiratra ny voninahitr'Andriamanitra. Eo am-pibanjinany mandrakariva an'i Jesôsy, dia mihamitovy amin'Andriamanirta ny olombelona. (...)
Ny olona amin'ny fahadiovany sy ny fahatanterahany no raisin'i Kristy ho valisoan'ny fijaliany, ny fanetren-tenany, ny fitiavany, ary fampitomboana ny voninahiny; i Kristy no ivo lehibe iaingan'ny famirapiratan’ny voninahitra rehetra. - OHC, t. 203. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal