Hoy Jesôsy taminy: Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao. » - Mat. 4:7.
Mofon'aina:
Aoka ny rehetra hahatsiaro ny fomba feno hafetsena nandidian'i Satana an'i Kristy hianjera avy eo an-tampon'ny tempoly, ka nilazany teny avy ao amin'ny Soratra Masina mba hanehoana amin'i Jesôsy fa izany indrindra no tokony hataony, satria amin'izany no hahafahany manaporofo amin'ny olona rehetra fa araka izay efa nambarany ho Izy tokoa ny Tenany (Mat. 4:6, Sal. 91:11,12).
Teo am-panononana ny Soratra Masina, dia nisy teboka iray tena manan-danja ninian'i Satana tsy no lazaina: " (...) hiaro anao eny amin 'izay rehetra alehanao" - Sal. 91:11. Raha nanaiky hanao ny sitrapon'i Satana i Kristy, dia ho niditra teo amin'ny lalan' i Satana, fa tsy ny lalana izay nomanin'Andriamanitra ho an'ny Zanany. Mampiasa fihaikana sy manesika ny olona ho sahisahy foana ireo mpanompon'i Satana mba hahitana hirika hanatanterahana ny sitrapony amin'izay manaiky ny fihaikany. I Kristy kosa tsy nanaiky. Tsy nett' nifandahatra tamin'ilay mpamitaka sy mpaka fanahy lehibe i Kristy. Hoy Izy: "Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an 'i Jehôvah Andriamanitrao. " (...)
Ny anjely, amin'ny maha-fanahy manompo azy, dia eny amin'ny lalana rehetra izay iantsoan'ny adidy ireo handova ny famonjena, ary Andriamanitra hiaro azy ireo amin'ny ratsy rehetra. Fa rehefa nanoritra lalana ho an'ny tenany i Satana, (...) dia tsy mahazo mandeha amin'izany lalana izany i Kristy. Tsy maintsy mihazona ny tongony eo amin'ny lalana izay efa nosoritan'ny Tompo Izy. Araka izany, nanome ohatra i Kristy, tao amin'ny maha-olombelona Azy, ny amin'izay tokony hataon'ny olona rehefa alaim-panahy hanaraka ny soso-kevitr' i Satana izy.
Tsy azontsika atao na oviana na oviana ny manaiky fihaikana mba hanaporofoana ny marina eo anatrehan'ny olona izay tarihin'ny fanahin'i Satana hanao soso-kevitra tsy avy amin'Andriamanitra; satria amin'izany fomba izany no hitarihan'i Satana antsika hiala tsy ho eo ambany fitantanan'Andriamanitra sy hametraka ny tenantsika eo amin'ny toerana izay mety handresen'ny fahavalo antsika, ka ho tratry ny fahavoazana isika, ary ny asan'Andriamanitra ho simba.
Ny hany fiarovana ho antsika dia ny miambina isan'andro sy isan'ora. — L, 96, 1900.