Mankahery tokoa ny mahita fa eo am-pamaranana ny 2 Kor., tahaka ny tany arm-piandohana ihany, dia miresaka momba ny fahasoavan'i Jesosy i Paoly (2 Kor. 1:2, 2 Kor. 13:14). Tsy nitsahatra nieritreritra sy niresaka momba an'i Jesosy izy, araka ny hitantsika hatrany am-piandohan'ity telovolana ity.
"Fa fantatrareo ny fahasoavan'i Jesôsy Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony"- 2 Kor. 8:9.
Akory ny hakanto sy ny halehiben'ny herin'ny fahasoavan'i Jesosy! Nafoiny ny haren'ny fiainany mandrakizay tany an-danitra mba ho tonga mahantra Izy. Nandeha tamin'ireo lalana feno vovoka tany Galilia fahiny Izy. «Nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana» Izy - Fil. 2:8. Nataony izany mba ho tonga «manankarena>> isika, izany hoe, mba hananantsika fahafahana hiaraka aminy any an-danitra. Sarotra ho antsika, izay tsy nahafantatra afa-tsy tontolo feno fahotana, sy fahafatesana, ary fijaliana, ny hahatakatra ny hevitry ny hoe nandao ny lapan'ny lanitra i Jesosy mba ho tonga tety an-tany sy hanolotra ny ainy ho antsika.
Vakio ny Rom. 16:20, Gal. 6:18, Fil. 4:23, ary ny 1 Tes. 5:28. Inona no famplanarana lehibe hitanao ao amin'ireo andalan-teny ireo?
Matetika tokoa no iresahan'i Paoly momba ny fahasoavan'i Jesosy ao amin'ireo epistiliny. Anisan'ireo teny sarobidy nolazainy ny ny hoe: «amin'ny fahasoavan'ny olona iray, dia Jesosy Kristy, no tonga be ho an'ny maro kosa» - Rôm. 5:15. Ireo izay mandray izany fahasoavana be izany dia «hanjaka amin'ny fiainana noho ny nataon'ny Anankiray, dia Jesosy Kristy» Rôm. 5:17. Nanomboka sy namarana epistily hafa koa, tahaka ny hita ao amin'ny 2 Kor., amin'ny firesahana momba ny fahasoavan'i Jesôsy i Paoly (Rôm. 1:7, Rôm. 16:20, 1 Kor. 1:3, 1 Kor. 16:23, Gal. 1:3, Gal. 6:18, Fil. 1:2, Fil. 4:23). lo lohahevitra io no nameno ny eritreriny, ary tiany hameno ny sain'ny Korintianina koa izany.
Izany no faniriany ho an'ny fiangonana rehetra. Mariho izay lazainy ho an'ny Efesianina: «Ny fahasoavana anie ho amin'izay rehetra tia an'i Jesosy Kristy Tompontsika amin'ny fitiavana tsy mety levona.» - Efes. 6:24. Ho latsaka noho izany ve ny faniriany antsika ho tia an'i Jesosy, dia amin'ny fitiavana tsy mety levona? Mazava loatra fa tsia. Rehefa dinihina tokoa, ny faniriany dia ny «hitomboan'ny fahasoavana amin'ny maro» ny fahasoavan'i Jesosy (2 Kor. 4:15) ka mba ho ampy ho azy ireo izany, tahaka ny naha-ampy azy ho an'i Paoly koa (2 Kor. 12:9).
Saino fa toy Izany ny fahasoavan'Andriamanitra aminao. Inona no mendrika anao noho ireo zavatra efa nolazainao sy nataonao? Inona kosa anefa no atolotry ny fahasoavan'Andriamanitra anao ho setrin'izany?