Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lisitra be voninahltry ny lanitra 

Daty
Alatsinainy 21 September 2026

"Fa mahalala ny lalana falehako Izy; raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena."- Joba 23:10

Mofon’aina:
Ny Kristianina izay tia ny Ray any an-danitra dia mety tsy hahita amin'ny fomba azo tsapain-tanana ny soa manokana omen'ny lanitra azy raha mitaha amin'ireo zara raha manolo-tena na tsy manolo-tena ho an'Andriamanitra mihitsy. Matetika mantsy izy no ampahoriana, kivy sy very hevitra ary voageja manodidina. (...)

Tsara toetra i Josefa ary hita taratra teo aminy ny hatsaram-panahy marina sy ny fahitsiana. Na izany aza dia nendrikendrehina izy, nenjehina ary natao toy ny olo-meloka. Nefa Andriamanitra nanana fandresena lehibe ho an'i Josefa, na dia toa nijaly noho ny fanaovana ny tsara aza izy.

Natsipy tao an-davaky ny liona i Daniela noho ny fifikirany tamin'ny fitsipika notanany sy ny fahatokiany tamin'Andriamanitra, nandresy anefa izy tamin'ny farany ary nomem-boninahitra Andriamanitra tamin'ny alalan'ny mpanompony izay nanaiky ny hietry. (...)

Notorahan'ireo fahavalon'i Kristy, ka maty noho izany, i Stefana marina sy mahatoky. Toa tsy hita taratra tokoa fa nanohana ny asany teto an-tany Andriamanitra rehefa namela ireo ratsy fanahy handresy, kanefa izany toe-javatra izany no nanova fo an'i Paoly ho amin'ny finoana, ary tamin'ny alalan'ny teniny avy eo no nitondrana olona an'arivony maro ho eo amin'ny fahazavan'ny filazantsara.

Natao sesitany tany amin'ny nosy manirerin'i Patmo i Jaona malala sady be fitiavana, nefa tany no nisehoan'i Jesosy taminy sy nanambarany taminy ireo toe-javatra hiseho amin'ny andro farany. (...) Navela ho hitany ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ireo voavotra miakanjo fotsy lava, izay avy tamin'ny fahoriana lehibe sy nanasa ny akanjony ka namotsy izany tamin'ny ran'ny Zanak'ondry.- L, 10, 1879.

Raha antsoina hiatrika ny lafaoro mahamay noho ny Aminy ianao, dia ho eo anilanao i Jesosy, tahaka ny niarahany tamin'ireo zatovolahy telo nahatoky tany Babylona. Ireo izay tia ny Mpanavotra azy dia ho faly amin'ny fotoana rehetra izay iarahany mitondra Aminy ny fahafaham-baraka sy ny faniniana. Tonga mamy sy sarobidy aminy ny fahoriana noho ny fitiavany ny Tompony.- TFMB, t. 30.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal