"Eny fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany araka ny haben'ny famindram-pony. Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak 'olombelona ."- Fit. 3:32, 33
Mofon’aina:
[Taratasy nosoratana ho fampa-herezana ny olona iray namoy ny zanany vavitokana].
Samy misotro tamin'ny kapoakan' ny fahoriana isika, nefa miharo amin'ny fifaliana sy fitsaharana ary fiadanana ao amin'i Jesosy izany. (...) Tsy sitraky ny Raintsika any an-danitra ny hampahory na hampalahelo ny zanak' olombelona. (...)
Ity tany ity no iatrehantsika fitsapana sy alahelo ary fahoriana. Eto isika no iharan'ireo fizahan-toetra avy amin'Andriamanitra. Natao hirehitra ny afo ao amin'ny lafaoro mandra-pahafoana ny tain-drendrika ao amintsika ka hivoaka avy ao toy ny volamena voadion'ny lafaoron'ny fahoriana isika. (...) Hisy fahazavana ao ambadik'izao haizina toa tsy takatry ny saina izao. (...) Manomba anao ny rahon'ny famindrampo na dia ao anatin'ny ora mikitroka aza. Ny soa avy amin'i Jehovah dia tahaka ny ranonorana milatsaka ho amin'ny tany mba hanondraka sy hamelombelona azy. Momba anao ny famindrampon'Andriamanitra.
Mitsahatra i Mary, zanakamalalanao. Izy no fizaranao ny alahelonao sy ireo fahadisoam-panantenanao. Tsy hahatsapa alahelo intsony izy, (...) na ho kivy. Ao anatin'ny alahelo sy ny fahorianao ary ny fahaverezan-kevitra, dia azonao atao ny maka sary an-tsaina amim-pinoana an'i Mary sy ny reniny ary ireo fianakavianao hafa, mamaly ny antson'ilay Mpanome fiainana ka mivoaka avy ao amin'ny toerana nihazona azy, mandresy ny fahafatesana sy ny fasana. Ny finoana no mahita ireo olo-malala izay nodimandry tafahaona indray amin'ireo voavotra eto an-tany. Ianao koa, raha mahatoky, dia hiara-mandeha amin'izy ireo eo amin'ny lalan'i Jerosalema Vaovao, hihira ny hiran'i Mosesy sy ny Zanak'ondry, ary hanao satroboninahitra voaravaka vatosoa. (...)
"Ny zavatra rehetra dia miara-mias a hahasoa izay tia an 'Andriamanitra."- Rom. 8:28. Raha azo natao ny nanokatra ny masonao, dia ho hitanao ny Rainao any an-danitra mijery anao amim-pitiavana, ho renao ny Feony feno fangorahana anao izay ory sy torotoro fo. Mijoroa tsara eo amin'ny Heriny, fa manana fitsaharana ho anao Izy!- L, 71, 1878.