"Ry rahalahy, tsy mbola ataoko efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko: manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan'Andriarnanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesôsy ."- Fil. 3:13,14.
Mofon’aina:
Amin'ny fihazakazahana mankany an-danitra dia afaka mihazakazaka isika rehetra ary mahazo ny loka avokoa. Tsy mist' fisalasalana na loza amin'izany. Tsy maintsy mitafy ny fahasoavana avy any an-danitra anefa isika, ary mibanjina mandrakariva flay Modely eo anoloantsika sy ny satroboninahitry ny tsy fahafatesana any ambony. (...) Ny fiainana feno fanetren-tena sy fandavan-tena nasehon'ilay Tompontsika masina no tokony hobanjinintsika mandrakariva. Ary rehefa mikatsaka ny hanahaka Azy isika, (...) dia afaka ny hihazakazaka amim-pahatokiana (...), satria fantatsika fa raha manao izay tsara indrindra mety ho vitantsika isika dia hahazo ny loka tokoa. (...)- TFC, b. 2, t. 358.
(...) Tsy maintsy manakaiky an'i Jesôsy izay te handresy ao anatin'ny ady atao amin’ny fahotana. Aza manao teny maneho tsy finoana; tsy manana fialan-tsiny hanaovana izany ianao, satria efa nanao fanatitra lavorary ho anao i Kristy mba hahafahanao mbar() eo anatrehan'Andriamanitra, tanteraka ao Aminy. Tsy sitrak'Andriamanitra ny tsy fahampian'ny finoana ao anatintsika. Mampisaraka ny fanahy amin'i Kristy mandrakariva ny tsy finoana.
Tsy mahasoa ny miresaka momba ny fahelementsika sy ny fahakiviantsika. Aoka ny tsirairay hanao hoe: "Malahelo aho satria nanome vahana ny fakam-panahy, satria malemy ny vavaka ataoko ary osa ny finoako. Tsy manana fialan-tsiny aho noho ny fiainam-panahiko zeny. Kanefa miezaka hahatratra ny fahatanterahan-toetra ao amin'i Kristy aho. Efa nanota aho nefa nanatsotra ny Tanany hamonjy ahy Izy. Efa nambarako taminy ny fahadisoako rehetra. Niaiky tamim-pahamenarana sy tamin'alahelo aho fa nanala baraka Azy. Nijery ny hazo fijaliana aho ka nilaza hoe: izany rehetra izany dia niaretany ho Ny Fanahy Masina no nampahafantatra ally ny tsy fankasitrahako sy ny fahotako, tamin'ny fanalako baraka an'i Kristy. Ilay tsy nahalala ota no efa namela ny heloko. Miantso ahy ho amin'ny fiainana ambony sy mendrika kokoa Izy, ary miezaka hanatratra ny zavatra ea aloha aho."- RH, 10 Marsa 1904.