" Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Aty amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokoa; Izaho efa naharesy izao tontolo izao."- Jao. 16:33.
Mofon’aina :
Tzany zavatra izany dia efa nolazaiko Itaminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo."- Jao. 15:11. Asa feno fifaliana ny fiezahana handresy ny fahotana. Midika ho fifandraisana amin'ny lanitra izany. Azonao atao ny manatona an'Andriamanitra amim-bavaka; afaka mangataka ianao ary hahazo. Azonao atao ny mino sy manankina ny fanahinao malemy amin'i Kristy. Midika izany fa afaka manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra ny olombelona. (...)- Ms 19, 1909, Andriamanitra dia mandefa ny fizahan-toetra mba hahitana raha toa isika hijoro manoloana ny fakam-panahy. (...) Samy manana toetra miafina ny tsirairay, tsy maintsy hiharihary izany rehefa miseho ny fitsapana. Avelan'Andriamanitra hozahan-toetra ireo mihevi-tena ho zavatra mba hahatakarany fa malemy izy. Avelany hanafotra ny fanahintsika ny rano lalin'ny fahoriana mba hahalalantsika Azy sy i Jesôsy Kristy. 'Hay nirahiny, mba hananantsika faniriana lalina ny hodiovina amin'ny fahalotoana rehetra ka hadio sy masina ary feno fifaliana kokoa aoriareny fitsapana isika. Matetika isika no miditra ao amin'ny lafaoron'ny fahoriana miaraka amin'ny fanahintsika maizin'ny fitiavan-tena; nefa raha maharitra amin'ny fizahan-toetra mahamay isika, dia hivoaka avy ao haneho taratra ny toetran'Andriatnanitra. Rehefa tanteraka ny fikasany ao anatin'ny fahoriana, "harnpiseho ny .fahamarinanao tahaka ny mazava lzy, ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana."- Sal. 37:6. "Afiarenz tory hianareo, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy,"- Mar. 14:3 8. Miambena amin'ny famelezana mangingina ataon'ny fahavalo, miambena amin'ireo fahazaran-dratsy fahiny sy ny fironana maha-olona, fandrao hifehy anao ireo. Tohero izany ary miambena. Tandremo ny eritreritra sy ny planinao, fandrao feno fitiavan-tena. Ambeno fatratra ireo fanahy izay novidin'i Kristy tamin'ny rany, araraoty ny tombontsoa hanaovan-tsoa ho azy ireny. Misy fotoan-tsarotra manoloana antsika. Mitaky finoana maharitra ny fiatrehana ireo fitsapana sy fakam-panahy ary ny fanatanterahana ny adidy. Azontsika atao anefa ny handresy amim-boninahitra; tsy mist' fanahy miambina sy mivavaka ary mino ka ho tratry ny fandriky ny fahavalo.- Ms, 126, 1907.
Daty
Talata 29 September 2026