"Ary raha manota aminao ny rahalahinao dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana hianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao." - Mat. 18:15.
Mofon’aina:
Ary mihoatra noho ny zavatra firehetra, mifankatiava tsara," hoy ny apostoly - 1 Pet. 4:8. Aza mihaino ny fanaratsiana atao amin'ny rahalahy na ny rahavavy iray. Mitandrema fatratra amin'ny fomba fandraisanao ny teny izay manohitra ny namanao. Anontanio ilay mpiampanga raha toa efa nankatà ny tenin'Andriamanitra momba izany raharaha izany izy. Nanome torolalana mazava tsara i Kristy momba ny tokony hatao. Mankanesa any amin'ny rahalahinao, ary asehoy azy ny fahadisoany rehefa mitokana iny ianareo. Aza miala andraikitra ka manao hoe: Tsy manana ady na olana manokana amin'ilay ampangaina aho. Mazava ny fitsipika nomen'i Kristy, koa tsy mitombina izany fialan-tsiny izany. (...)
Mila fanampiana ny rahalahinao. Ambarao aminy, fa tsy amin'olon-kafa, fa misy resaka miely momba azy. Omeo fahafahana hanazava ny momba izany izy. Mety ho lainga tanteraka mantsy ny voalaza momba azy, ary mety ho voalamina amin'ny alalan'ny fanazavana tsotra ny olana. (...)
Hoy i Paoly: "Ry rahalahy, raha misy olona azon 'ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin'ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao hianao koa mba halaim-panahy ihany." –Gal. 6:1. (...) Raha misy olona nanao fahadisoana, aza mitantara izany amin'olon-kafa, fa manatèna ilay olona eritreretinao ho diso, ary amim-pahalemem-panahy sy amim-panajana — tahaka ny tianao hitondrana anao raha ianao no teo amin'ny toerany —dia ambarao aminy ny fahadisoany. Raha tsy lazaina aminy ny fahadisoany, fa misy fiahiahiana aely kosa momba azy, nefa tsy misy ezaka atao hamonjena ilay nania amin'ny filazana aminy ny loza mety hanjo azy, hanao ahoana re ny fijerin'Andriamanitra ireo izay ratsy fanahy toy izany e?
Hoy Andriamanitra: "Tsy misy marina na dia iray akory aza" – Rôm. 3:10. Samy mpanota avokoa isika rehetra. (...) Nanolotra ny ainy ho an'ny mpaniasia ny Tompo Jesosy mba hahazoany famelan-keloka. Tsy anjarantsika ny manameloka. Tsy tonga hanameloka i Kristy, fa hamonjy. – Ms, 31, 1911.