Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tanana manampy ny kivy

Daty
Alakamisy 15 October 2026

"Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin'ny fahamarinana, ary misy anankiray mampibebaka azy, aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin 'ny làlan 'ny fahadisoany dia hamonj y fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be. " - Jak. 5:19,20.

Mofon’aina:
Miaro ireo nanao fahadisoana ka menatra sy mahatsapa ny fahadalany. Miverina ao an-tsainy mandrakariva ny helony sy ny fahotany hany ka mita hamoy fo tanteraka izy ireo. Aoka tsy hataontsika ambanin-javatra ireny fanahy ireny. Rehefa milomano manohitra ny riandrano ny olona, dia manosika azy hiverina any aoriana ny herin'ny rano manontolo. Aoka ary hisy tanana hanampy azy, tahaka I lay Zoky naninjitra ny tanany sy nandray an'i Petera raha nilentika izy. Aoka hanao teny mitory fanantenana aminy isika. (...)

Mila anao ny rahalahinao ory am-panahy, tahaka ny efa nanjo anao koa. Mila ny fanandraman'ny olona izay efa tojo alahelo toa azy izy, olona izay afaka miaraka ory aminy sy manampy azy. (...) Tsy tokony handalo fotsiny ny fanahy iray mijaly isika fa hiezaka mandrakariva hizara aminy ny fampiononana izay nampiononan'Andriamanitra antsika.

Ny firaisana amin'i Kristy, ny fifandraisana akaiky amin'ny Mpamonjy velona, no manampy ny saina sy ny fo ary ny fanahy handresy ny fahalemen-toetra. Lazao amin'ilay nania fa misy Tanana mahery tsitoha hanohana azy, ary misy fahalemem-panahy tsy misy fetra ao amin'i Kristy izay mangoraka azy. Tsy ampy ny fitokiany amin'ny lalàna sy ny hery fotsiny, izay tsy mangoraka na mihaino ny antso vonjy ataony na oviana na oviana. (...) Ampio izy hahatsiaro mandrakariva fa manatrika eo anilany eo mandrakariva Andriamanitra, mitsinjo azy amin'ny masom-pitiavany. Resaho aminy ny fon'ny Ray izay malahelo noho ny ota, ny tanany mitsotra mba hanampy hatrany, ary ny feony manao hoe: "Aoka hifikitra amin'ny heriko kosa izy ka hihavana amiko (..)" — Isa. 27:5.

Rehefa manao izany asa izany ianao, dia manana sakaiza tsy hitan'ny mason'olombelona. Ny anjelin'ny lanitra no teo anilan'ilay Samaritana nikarakara ilay vahiny naratra. Toy izany koa izay rehetra manompo an'Andriamanitra amin'ny fanampiana ny namany, ary i Kristy mihitsy aza no miara-miasa aminy. — Ms, 126, 1907.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal