"Ary andrao hianao hanao anakampo hoe: Ny tanjako sy ny herin'ny tenako no nahavoriako izao harena izao; fa tsarovy Jehovah Andriamanitrao, fa Izy no manome anao hery hahavory harena, mba haoriny ny fanekeny, izay nianianany tamin'ny razanao, tahaka ny amin 'izao anio izao." - Deo. 8:17,18.
Mofon’aina:
Izay tia an'Andriamanitra ambonin'ny zavatra rehetra dia hahatsapa fa manan-karena tsy hita pesipesenina ao amin'ireo fitahiana izay omen' Andriamanitra azy. (...) Tsy misy na inona na inona ka ananan'ny olombelona zo tanteraka ny aminy. Tsy tompon'ny tenany akory aza izy, fa efa novidina lafo tamin'ny ran'ny Zanak'Andriamanitra. Manan-jo amin'ny fananana rehetra eto amin' izao tontolo izao i Kristy. Azony atao ny mampisy toe-javatra mifanesy izay hahavery an-javona ny tombony rehetra nangonina tao anatin'ny taona maro. Azony atao koa ny manome izay fanampiana ilain'ny zanany. (...)
Andriamanitra no manome fofonaina mahavelona ny olona. Tsy mahay mamorona isika; ny manangona izay efa noforonin'Andriamanitra ihany no haintsika. Izy no mpiaro sy mpanolo-tsaina antsika; ary mihoatra noho izany, ny fahalalahan-tanany no ahazoantsika ny hery sy ny fahaiza-manao rehetra ananantsika. (...) Omena anao izany, tsy ny hahatonga izany ho fitaovana hanasaraka anao Aminy, fa mba hanampy anao hanatanteraka ny asa fanompoana ho Azy.
Vantany vao hadinon'ny olona fa an'ny Tompo ny fahaizany sy ny fananany, dia maka ny fananan'ny Tompony izy. Mitondra tena toy ny mpitandrina tsy marina izy, ka mahatonga ny Tompo hanankina ny fananany eo an-tanan'izay mahatoky kokoa (...) mba hanehoana amin'izao tontolo izao fa miasa ho an'ny famonjena ny mpanota izy ireo. Miantso ireo izay milaza ny tenany ho eo ambanin'ny fitarihany Izy mba tsy haneho ny endriny amin'ny fomba diso. (...) Androtsahany fitahiana manana amby ampy isan'andro isika. (...)Aoka isika hanome voninahitra Azy amin'ny fizarana amin'ny hafa ny haben'ny fahasoavana izay efa nomeny antsika.
Fitiavana madio sy masina ary tsy misy fitiavan-tena izany! (...) Miantso ny zanany lahy sy ny zanany vavy Andriamanitra mba haneho amin'izao tontolo izao fa tsy tia tena Izy, fa malala-tanana sy mihevitra ny hafa. Fantsona ahafahany mampita ny haren'ny fitiavany no andrasany. — Ms, 63, 1901.