Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Malemy fanahy sy be fitiavana ary miantra.

Daty
Zoma 03 May 2024

"Fa Hianao, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana."- Sal. 86:15.

Mofon'Aina :
Nanome baiko antsika Andriamanitra, araka ny lalan'ny asa fanompoana, ny mba hifampaherezantsika amin'ny halemem-panahy sy fitiavana rehefa mianjady ny fahoriana lehibe. Tsy misy olombelona velona ho an'ny tenany, ary tsy misy maty ho an'ny tenany. (...) Adidy napetrak'Andriamanitra hiantsorohan'ireo mpanompony ny haneho ny toetran'Andriamanitra, ny hijoro ho vavolombelon'ny Fahasoavany sy ny Fahendreny ary ny Fahafoizan-tenany amin'ny fanehoana fitiavana madio sy feno halemem-panahy ary miantra. (...) Nikasika ny fon'i Jesôsy mandrakariva ny fahorian'ny taranak'olombelona; ny fontsika koa dia tokony holefahin'ny Fanahy Masina sy hilefitra Aminy mba hahatonga antsika hanahaka an' i Jesôsy . (...)

Ny anjara asantsika dia ny hamerina indray ny toe-panahin'Andriamanitra eo amin'ny olona amin'ny alalan'ny fahasoavana lehibe atolotr'Andriamanitra antsika amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy. Hitantsika eny rehetra eny ny fanahy ambavahaona, koa zava-dehibe indrindra ny hanehoan'i Kristy amintsika ny fangorahany, mba tsy hisy fanahy ho very noho ny tsy fanehoantsika fahari-po sy fahalemem-panahy feno fangorahana. (...) Izao no fanontaniako: moa ve isika hianatra hanana ny fahalemem-panahin'i Kristy indray andro any? Endrey, manao ahoana ny filantsika hahafantatra an'i Jesôsy sy Ilay Raintsika any an-danitra mba hahafahantsika maneho Azy amin'ny toetrantsika! (...)

Miantso antsika hanatona Azy i Jesôsy , tsy ny hamelombelomana antsika amin'ny fahasoavany sy ny fanatrehany mandritra ny ora vitsivitsy fotsiny ka hampandehaniny hiala amin'ny Fahazavany isika avy eo ho ao anatin'ny alahelo sy ny fanjoretana. Tsia, tsy izany, fa ambarany amintsika ny tsy maintsy hitoerantsika ao Aminy ary Izy ao amintsika. Na aiza na aiza anaovana ny asany dia eo Izy (...). Efa nanomana ho ahy sy ho anao fitoerana ao Aminy Izy. Izy no fialofana ho antsika. Tokony hihamitombo sy hihalalina ny fanandramantsika. Efa nasehon'i Jesôsy amin'ny fahafenoany ny fitiavany tsy hay lazaina ka hoy Izy aminao: "mpiara-miasa amin'Andriamanitra" ianareo (1 VV. 3:9). Endrey ny lanjan'izao teny izao! - "Tomoera amiko" Jao. 15:4, "Ento ny ziogako" - Mat. 11:29. Handray izany ve isika? Izao mantsy ny teny fikasana: "dia hahita fitsaharana ho an 'ny fanahinareo hianareo." (...)- TMK, t. 45. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal