Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

"Natao tsinontsinona sy nolavin'ny olona"

Daty
Alahady 05 May 2024

 "Natao tsinontsinona sy nolavin'ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana, ary tahaka izay tsy tian'ny olon-kojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika." - Isa. 53:3.

Mofon'Aina:
Manao ahoana re ny havitsian'ny olona mahatakatra ny fahoriana mandrotidrotika ny fon' ilay Zanak'Andriamanitra nandritra ireo telopolo taona niainany teto an-tany. Nosaronan'ny alahelo sy ny fahoriana ny lalana avy eo amin'ilay fihinanam-bilona hatreny Kalvary. Lehilahy ory Izy, ary niaina ratram-po izay tsy hain'ny fitenin'olombelona hosoritsoritana. Izao no azo nilazana izany raha ny marina: "Jereo sy izahao raha mba misy fahoriana toy ny fahoriako"- Fit. 1:12. (...) Lehibe tokoa ny fankahalany ny fahotana, kanefa nangoniny tao amin'ny Fanahiny ny fahotan'izao tontolo rehetra izao, raha nanitsaka ny lalana mankeny Kalvary Izy (...). Tsy nanan-keloka Izy kanefa nitondra ny famaizana ny olo-meloka; tsy nanan-tsiny kanefa nanolotra ny Tenany mba hizaka ny famaizana mendrika ny mpandika ny lalan'Andriamanitra. Nentin'ny Zanak'ilay Andriamanitra mandrakizay ny famaizana noho ny otan'ny fanahy rehetra. Nitambesatra tao amin'ny fanahin'ilay Mpanavotra an'izao tontolo izao avy any an-danitra ny fanamelohan'ny fahotana rehetra. Ilay tsy nahalala ota no tonga ota ho antsika mba hampihavanina amin'Andriamanitra ao Aminy isika. Tamin'ny nandraisana ny toetry ny olombelona no nipetrahany teo amin'ny toerana izay nandratràna Azy noho ny fahotantsika sy nanorotoroana Azy noho ny fahamelohantsika, mba hahasitrana antsika ny dian-kapoka taminy. 

Fakam-panahy lehibe no nizahan-toetra an'i Kristy tao amin'ny maha-olombelona Azy, hery feno faharetana no nentin'ilay ratsy nizaha toetra azy noho ny maha lehibe lavitra mihoatra ny olona Azy. Fahamarinana feno zava-miafina lalina ny fifamatoran'i Kristy amin'ny taranak'olombelona amin'ny alalan'ny firaisam-po feno fangorahana lehibe indrindra. Namesatra ny fon'Andriamanitra ny asa sy ny fisainana ratsy ary ny teny feno faharatsiana nataon'ny zanakalahy sy sy zanakavavin'i Adama rehetra. Nahatonga famaizana ho an'ny Tenany ny fahotan'olombelona satria tonga Mpisolo ny olona Izy, ary nentiny ny fahotan'izao tontolo izao. (...) "Hataontsika ahoana no fandositra raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika?"- Heb. 2:3. - TMK, t. 66. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal