Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Zanaka fa tsy andevo

Daty
Zoma 10 May 2024

"Koa satria mandray fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika, dia aoka isika hanana fahasoavana hoentintsika manao izay fanompoana sitrak'Andriamanitra amin'ny fanajana sy ny fahatahorana."- Heb. 12:28.

Mofon'Aina:   
Marobe no mitonona ho mpanara-dia an' i Kristy kanefa tsy mampihatra ny Teniny. Tsy mankamamy ny Teniny izy ireo satria maneho fanompoana tsy mahafinaritra azy izany. Tsy tiany ny fananarana mahavonjy sy ny fiantsoana hentitra sy vokatry ny fo. Halany ny fahamarinana; ary fehezin'ny firehetam-po maha-olona sy feno haratsiana izy ka ampahorin'izany.

Zava-dehibe tokoa ny fomba anaovantsika fanompoana ho an'Andriamanitra. Ny tovolahy kely izay mahatsiaro ho mijaly eo am-pianarana ny lesony dia tsy ho tonga mpianatra tena izy na oviana na oviana. Ny lehilahy izay milaza ho mitandrina ny didin'Andriamanitra noho ny fiheverany fa tsy maintsy ataony izany dia tsy mba hiditra amin'ny fifalian'ny fankatoavana velively.

Ny fototra sy ny ivon'ny fankatoavanarehetradiany fampiharana ny fitsipika fray iainana ao anaty - ny fitiavana ny fahamarinana, ny fitiavana ny lalan'Andriamanita. Fahatokiana amin' ilay Mpanavotra antsika no fototry ny fahamarinana rehetra, ny fanaovana ny tsara satria izany no tokony hatao. Rehefa heverina ho enta-mavesatra ny Tenin'Andriamanitra noho izy mikasika mivantana ny fironan'ny olombelona, dia tsy fiainana kristianina izany ny fiainana ara-pivavahana fa fanerena sy fankatoavana an-tery ihany. Manjary voailika ny fahadiovana sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra ao anatin 'ny fivavahana.

Ny fandraisana ho isan'ny ankohonan'Andriamanitra anefa dia mahatonga antsika ho zanaka fa tsy andevo. Rehefa miditra ao am-po ny fitiavana an' i Kristy dia manao ny ezaka hanahafanany toetran' i Kristy isika. (…) Arakaraka ny andinihantsika momba ny fiainan'i Kristy amin'ny fo manaiky ampianarina no hanahafantsika Azy. Fahatakarana mazava no bitsihin'ny Fanahy Masina ao am-pon'ireo rehetra mpanatanteraka ny Teny. Arakaraka ny hanomboantsika amin'ny hazo fijaliana ireo fanao feno fitiavan-tena ka hizarantsika ireo fitahiana azontsika amin'ny hafa sy hampiasantsika ny fahaiza-manao omen'Andriamanitra no hampaherezana sy hampitomboana ny fahasoavan'ny lanitra ao anatintsika. Hitombo amin'ny fiainam-panahy isika, amin'ny faharetana, amin'ny herim-po, ary amin'ny fahamoram-panahy. (...) - TMK, t. 118. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal