Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitoetra ao amin'i Kristy 

Daty
Sabotsy 11 May 2024

"Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, dia toy izany koa hianareo, raha tsy miray amiko." - Jao. 15:4.

Mofon’Aina:
"Tomoera Amiko", teny manan-danja tokoa ireo. Ny hoe mitoetra  ao amin'i Kristy dia midika hoe manana finoana velona sy vokatry ny fo tokoa ary mamelombelona, finoana izay miasa amin'ny fitiavana sy manadio ny fanahy. Midika ho fandraisana tsy tapaka ny toe-tsain'i Kristy izany, ary koa fiainana manolo-tena tanteraka ho amin'ny fanompoana Azy. Na aiza na aiza isian'izany firaisana izany dia hiseho ny asa tsara. Ny fiainan'ny voaloboka dia hiseho ho azy amin'ny voa entin'ny sampany. Ho fitahiana ho anao sy hahatonga anao ho fitahiana ny fanohanan'ny fahasoavan'i Kristy tsy tapaka, mandra-pahatonga ny fotoana hahafahanao miteny miaraka amin'i Paoly hoe: "Voahombo miaraka amin'i Kristy arnin 'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko" - Gal. 2:20.

Ny firaisana masina amin'i Kristy no hampiray ny mpirahalahy amin'ny fatorana mamin'ny fifankatiavana kristianina. (...) Tsy misy toerana ho an'ny fangatsiahana sy ny fifandirana ary ny adilahy velively eo amin'ireo mpianatr'i Kristy. Finoana iray ihany no efa neken'izy ireo. Nikambana mba hanompo Tompo iray izy ireo, hiara-miatrika ady iray ihany, hiara-miezaka ho amin'ny tanjona iray, ary hiara-mandresy amin'ny toe-javatra iray. Ra sarobidy no nividianana azy rehetra ka hafatry ny famonjena iray ihany no notoriny. (...)

Ireo izay mitady hery mandrakariva eo amin'i Kristy no hanana ny toe-tsainy. Hitandrina hatrany izy ireo amin'ny teny ataony sy ny fitondrany ny tenany. Hitoetra ao amin'ny fanahiny ny fahatsapany mandrakariva ny hasarobidin'ny famonjena azy tamin'ny nanaovana sorona ilay Zanaka malalan'Andriamanitra. Hirakitra ao an-tsainy tahaka ny sary velona sy vaovao ny toe-javatra niseho teo Kalvary ka hilefitra sy halefaka ny fony noho izany fanehoana mahatalanjona ny fitiavan'i Kristy azy izany. Olona voavidin'ny rà sarobidin'i Kristy no hahitany ny hafa, ary ireo izay manana firaisana Aminy dia ho ambony sy voasandratra ary masina noho ny amin'izany fifandraisana izany. Ny fahafatesan'i Kristy teo Kalvary dia tokony hitarika antsika hanombana ny fanahy tahaka ny anombanan'i Kristy azy ireo. (...) - TMK, t. 132. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal