Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ilay Mpanafaka mahery

Daty
Alatsinainy 20 May 2024

"Namelatra ny tanako mandritra ny andro Aho tamin'ny firenena miodina, izay mandeha amin'ny lalana tsy tsara araka ny fisainany ihany." - Isa. 65:2.

Mofon'Aina:
Manatsotra ny Tanany isan'andro, amin'ny alalan' i Kristy, mba hanasa ireo mila fanampiana ilay Tompo Andriamanitsika. (...) Tsy manosi-bohon-tanana na iza na iza Izy. (...) Voninahitra ho Azy ny manome famelan-keloka ho an'ny lohan'ny mpanota. Hesoriny ny haza eo amin'ny mahery, hafahany ny mpifatotra (...). Hampietry ny rojo volamenan'ny famindrampony ho amin'ny toerana fadiranovana indrindra sy feno fahotana misy ny olombelona Izy ka hanandratra ny fanahy ambany izay mararin'ny fahotana. Tsy maintsy manam-pahavononana ny hanatona Azy anefa ny olombelona ka hiara-miasa ho famonjena ny fanahiny amin'ny fandraisana ny tombontsoa atolotr'Andriamanitra azy. Tsy manery na iza na iza ny Tompo. Omanina hampitafiana ny mpanota ny akanjom-pahamarinana tsy misy pentin'i Kristy, kanefa tsy maintsy ho very izy raha manda izany.

Azo fafana amin'ny ran'i Kristy ny lasa izay voarakitra; azo diovina indray ny pejy ka atao fotsy. "Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehôvah : na dia mena tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy." - Isa. 1:18. (...)

Sarobidy amintsika tokoa ny teny avy amin'ny molotr'i Jesôsy hoe: "voavela ny helokao" - Mat. 9:2. Hoy Izy: "Efa nentiko ny fahotanao, ny Tenako teo amin'ny hazo fijalian'i Kalvary no nitondra izany." Hitany ny fahorianao. Mipetraka eo an-dohan'ny fanahy torotoro rehetra ny Tanany, ary tonga Mpisolovavantsika eo anoloan'ny Ray i Jesôsy no sady Mpamonjintsika. Ny fo mietry sy torotoro no hahazo famelana be. (...)

Azontsika aseho indray amin'ny hafa ny fangorahany be fitiavana, dia ireo hafa izay mirenireny any amin'ny lala-miolikoliky ny fahotana. (...) Fahamoram-panahy lehibe sy fangorahana no hameno ny fanahy eo anatrehan'ireo izay mbola eo ambany fanapahan'i Satana. Tokony hitoetra betsaka ao amin'ny lehilahy sy ny vehivavy i Kristy, satria tokony hiaina ny fiainan'i Kristy izy ireo amin'ny fitondrana fitahiana sy fahazavana ho an'ny hafa, ary koa amin'ny fitondrana fanantenana sy fiadanana ary fitiavana ho azy ireo. - TMK, t. 235. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (44)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal