Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ilay Mpanafaka mahery

Daty
Alatsinainy 20 May 2024

"Namelatra ny tanako mandritra ny andro Aho tamin'ny firenena miodina, izay mandeha amin'ny lalana tsy tsara araka ny fisainany ihany." - Isa. 65:2.

Mofon'Aina:
Manatsotra ny Tanany isan'andro, amin'ny alalan' i Kristy, mba hanasa ireo mila fanampiana ilay Tompo Andriamanitsika. (...) Tsy manosi-bohon-tanana na iza na iza Izy. (...) Voninahitra ho Azy ny manome famelan-keloka ho an'ny lohan'ny mpanota. Hesoriny ny haza eo amin'ny mahery, hafahany ny mpifatotra (...). Hampietry ny rojo volamenan'ny famindrampony ho amin'ny toerana fadiranovana indrindra sy feno fahotana misy ny olombelona Izy ka hanandratra ny fanahy ambany izay mararin'ny fahotana. Tsy maintsy manam-pahavononana ny hanatona Azy anefa ny olombelona ka hiara-miasa ho famonjena ny fanahiny amin'ny fandraisana ny tombontsoa atolotr'Andriamanitra azy. Tsy manery na iza na iza ny Tompo. Omanina hampitafiana ny mpanota ny akanjom-pahamarinana tsy misy pentin'i Kristy, kanefa tsy maintsy ho very izy raha manda izany.

Azo fafana amin'ny ran'i Kristy ny lasa izay voarakitra; azo diovina indray ny pejy ka atao fotsy. "Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehôvah : na dia mena tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy." - Isa. 1:18. (...)

Sarobidy amintsika tokoa ny teny avy amin'ny molotr'i Jesôsy hoe: "voavela ny helokao" - Mat. 9:2. Hoy Izy: "Efa nentiko ny fahotanao, ny Tenako teo amin'ny hazo fijalian'i Kalvary no nitondra izany." Hitany ny fahorianao. Mipetraka eo an-dohan'ny fanahy torotoro rehetra ny Tanany, ary tonga Mpisolovavantsika eo anoloan'ny Ray i Jesôsy no sady Mpamonjintsika. Ny fo mietry sy torotoro no hahazo famelana be. (...)

Azontsika aseho indray amin'ny hafa ny fangorahany be fitiavana, dia ireo hafa izay mirenireny any amin'ny lala-miolikoliky ny fahotana. (...) Fahamoram-panahy lehibe sy fangorahana no hameno ny fanahy eo anatrehan'ireo izay mbola eo ambany fanapahan'i Satana. Tokony hitoetra betsaka ao amin'ny lehilahy sy ny vehivavy i Kristy, satria tokony hiaina ny fiainan'i Kristy izy ireo amin'ny fitondrana fitahiana sy fahazavana ho an'ny hafa, ary koa amin'ny fitondrana fanantenana sy fiadanana ary fitiavana ho azy ireo. - TMK, t. 235. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal