Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

"Avia hianareo hitokana"

Daty
Zoma 24 May 2024

"Miandrasa an'i Jehôvah hianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an'i Jehôvah ."- Sal. 27:14.

Mofon'Aina:
Tsy nisy fiainana tototra asa sy novesarana andraikitra tahaka ny an' i Jesôsy, kanefa matetika tokoa ny nivavahany! Nitohy mandrakariva ny firaisany tamin'Andriamanitra! (...) Tahaka ny anankiray amintsika Izy, mahalala izay ilaintsika sy ny fahalementsika, ary niankina tanteraka tamin'Andriamanitra ka tany amin'ny toeram-pivavahana mangina no nitadiavany hery avy any an-danitra mba hahafahany mandroso hiatrika ny adidy sy ny fitsapana. Niatrika tolona maro sy fangirifirian'ny fanahy teto amin'ity tontolo feno ota ity i Jesôsy. Tamin'ny firaisana amin'Andriamanitra no nahamaivana ireo fahoriana nitambaby taminy. (...)

(...) Tamin'ny maha-olona Azy no nitalahoany ny seza fiandrianan'Andriamanitra mandra-pahazoan'ny taranak'olombelona ny rivotry ny lanitra izay tokony hampiray ny olombelona amin'Andriamanitra. Tamin'ny alalan'ny firaisana nitohy no nandraisany fiainana avy tamin' Andriamanitra, mba hanomezany fiainana an'izao tontolo izao. Tiany hiainantsika ny fanandramana niainany. "Avia hianareo hitokana" - Mar. 6:31, izany no baikony amintsika. Hatanjaka kokoa isika ary ho azo ampiasaina bebe kokoa raha toa manaraka ny Teniny. ( ... )

Raha hanokana fotoana hankanesana eo amin'i Jesôsy isika anio mba hilaza Aminy izay ilaintsika dia tsy ho diso fanantenana; ho eo ankavanantsika tokoa Izy mba hanampy antsika. (...)

Ireo izay hofanin'Andriamanitra dia tokony hanana fiainana tsy mifanaraka amin'izao tontolo izao sy ny fombafombany na ny fanaony; ary tokony hanana fanandramana manokana ny tsirairay mikasika ny fahafantarana ny sitrapon'Andriamanitra. (...) Rehefa ampanginina ny feo hafa rehetra ary mankeo anatrehany amin'ny fanginana isika, dia ho rentsika kokoa ny feon'Andriamanitra (...). Hoy Izy: "Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra" - Sal. 46:10. Eo irery ihany no misy ny tena fitsaharana. Ary izany no fiomanana mahomby ho an'izay rehetra miasa ho an'Andriamanitra. Eo anivon'ny vahoaka maro mihazakazaka sy ny fahasahiranana noho ny asa mafy eo amin'ny fiainana, ny fanahy izay mahazo famelombelomana tahaka izany dia ho voahodidin'ny rivo-piainana feno fahazavana sy fiadanana. Fofo-manitra no hameno ny fiainany ary ho hita eo amin' izany ny herin'Andriamanitra izay hahakasika ny fon'ny hafa. - TMK, t. 259. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (44)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal