Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

"Avia hianareo hitokana"

Daty
Zoma 24 May 2024

"Miandrasa an'i Jehôvah hianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an'i Jehôvah ."- Sal. 27:14.

Mofon'Aina:
Tsy nisy fiainana tototra asa sy novesarana andraikitra tahaka ny an' i Jesôsy, kanefa matetika tokoa ny nivavahany! Nitohy mandrakariva ny firaisany tamin'Andriamanitra! (...) Tahaka ny anankiray amintsika Izy, mahalala izay ilaintsika sy ny fahalementsika, ary niankina tanteraka tamin'Andriamanitra ka tany amin'ny toeram-pivavahana mangina no nitadiavany hery avy any an-danitra mba hahafahany mandroso hiatrika ny adidy sy ny fitsapana. Niatrika tolona maro sy fangirifirian'ny fanahy teto amin'ity tontolo feno ota ity i Jesôsy. Tamin'ny firaisana amin'Andriamanitra no nahamaivana ireo fahoriana nitambaby taminy. (...)

(...) Tamin'ny maha-olona Azy no nitalahoany ny seza fiandrianan'Andriamanitra mandra-pahazoan'ny taranak'olombelona ny rivotry ny lanitra izay tokony hampiray ny olombelona amin'Andriamanitra. Tamin'ny alalan'ny firaisana nitohy no nandraisany fiainana avy tamin' Andriamanitra, mba hanomezany fiainana an'izao tontolo izao. Tiany hiainantsika ny fanandramana niainany. "Avia hianareo hitokana" - Mar. 6:31, izany no baikony amintsika. Hatanjaka kokoa isika ary ho azo ampiasaina bebe kokoa raha toa manaraka ny Teniny. ( ... )

Raha hanokana fotoana hankanesana eo amin'i Jesôsy isika anio mba hilaza Aminy izay ilaintsika dia tsy ho diso fanantenana; ho eo ankavanantsika tokoa Izy mba hanampy antsika. (...)

Ireo izay hofanin'Andriamanitra dia tokony hanana fiainana tsy mifanaraka amin'izao tontolo izao sy ny fombafombany na ny fanaony; ary tokony hanana fanandramana manokana ny tsirairay mikasika ny fahafantarana ny sitrapon'Andriamanitra. (...) Rehefa ampanginina ny feo hafa rehetra ary mankeo anatrehany amin'ny fanginana isika, dia ho rentsika kokoa ny feon'Andriamanitra (...). Hoy Izy: "Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra" - Sal. 46:10. Eo irery ihany no misy ny tena fitsaharana. Ary izany no fiomanana mahomby ho an'izay rehetra miasa ho an'Andriamanitra. Eo anivon'ny vahoaka maro mihazakazaka sy ny fahasahiranana noho ny asa mafy eo amin'ny fiainana, ny fanahy izay mahazo famelombelomana tahaka izany dia ho voahodidin'ny rivo-piainana feno fahazavana sy fiadanana. Fofo-manitra no hameno ny fiainany ary ho hita eo amin' izany ny herin'Andriamanitra izay hahakasika ny fon'ny hafa. - TMK, t. 259. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal