Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny hasarobidin'ny vavaka mangina

Daty
Sabotsy 25 May 2024

"Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika." - Sal. 62:8.

Mofon'Aina:
Ny fahatsapana marina ny zavatra ilaintsika sy ny faniriana lalina ny zavatra angatahintsika no tokony hanamarika ny vavaka ataontsika, raha tsy izany dia tsy ho re izany. Aoka anefa isika tsy ho mora reraka ka hampitsahatra ny fangatahantsika noho ny tsy fandraisantsika valim-bavaka eo no ho eo. "(...) mandraka ankehitriny ny fanjakan'ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny." - Mat. 11:12. Ny fandrombahana an-keriny voalaza eto dia ilay hafanam-po masina, tahaka izay nasehon'i Jakoba. Tsy mila mampiezaka ny tenantsika hanana fihetseham-po lalina isika; fa amim-pahatoniana sy amim-paharetana no tokony hitondrantsika hatrany ny fangatahantsika eo amin'ny seza fandrianan'ny fahasoavana. Ny asantsika dia ny mampilefitra ny famahintsika eo anatrehan'Andriamanitra, miaiky ny fahotantsika, ary manakaiky an'Andriamanitra amim-pinoana. (...) Efa fikasan'Andriamanitra ny haneho ny tenany ao amin'ny fiarovany sy ny fahasoavany. Tsy maintsy ny voninahitr'Andriamanitra no tanjona kendren'ny vavaka ataontsika, fa tsy ny fitadiavana voninahitra ho an'ny tenantsika.

Nanome voninahitra antsika Andriamanitra tamin'ny nanehoany ny tombambidy lehibe anombanany antsika. Novidina tamin'ny sanda lafo tokoa isika, dia ny ra sarobidin'ilay Zanak'Andriamanitra izany. Rehefa manaraka an-tsitrapo ny Tenin'Andriamanitra ny Lovany, dia hitoetra amin'izy ireo ny Fitahiany ho setrin'ny vavaka ataony. "Koa na dia ankehitriny aza, hoy Jehôvah, miverena amiko amin'ny fonareo rehetra ary amin'ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana. Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin Jehôvah Andriamanitrareo; fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindrampo ary manenina ny amin'ny loza." - Joe. 2:12,13.

Ao amin'ny mangingina no aoka hamborahana ny fo eo anoloan'ny mason'Andriamanitra mandinika antsika. (...) Endrey ny hasarobidin'ny vavaka mangina -ny firaisan'ny fanahy amin' Andriamanitra! Ny fivavahana mangina dia tsy tokony ho ren'iza na iza, afa-tsy ilay Andriamanitra Mpihaino vavaka ihany. Tsy misy sofina liam-baovao tokony handray ny vesatry ny fitarainana toy izany. (...) Izay mihazona ny firaisana amin'Andriamanitra amin'ny finoana tsotra dia hanangona tara-pahazavana masina mba hanatanjaka sy hanohana ny tenany amin'ny adiny amin'i Satana. - TMK, t. 272. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal