Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy misy tsy iharan'ny fakam-panahy

Daty
Zoma 21 June 2024

 "Izay arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny finoana ho amin'ny famonjena efa vonona haseho any am-parany. Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin'ny fakam-panahy maro samy hafa aza hianareo, raha tsy maintsy hisy izany." - 1 Pet. 1:5,6.

Mofon'aina:
Aza mihevitra fa tsy misy fakam-panahy ny fiainan'ny Kristianina. Ho tonga amin'ny Kristianina tsirairay ny fakam-panahy. Tsy maintsy handalo fizahan-toetra na ny Kristianina na izay tsy manaiky an'i Kristy ho Tompony. Izao no maha-samy hafa azy: manompo tompo lozabe sady manao ny asa ratsiny ireo izay tsy manaiky an'i Kristy; fa ny Kristianina kosa dia manompo Ilay nahafoy ny ainy mba hanome azy fiainana mandrakizay. Aza atao mahagaga ny fizahan-toetra, fa raiso ho toy ny fomba fanadiovana sy fanatanj ahana antsika izany. "Ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan'ny fakam-panahy samy hafa ianareo." Hoy i Jakôba, "Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana." - Jak. 1:2,3. Ho takatsika any amin'ny fiainana ho avy ny amin' ireo toe-javatra izay naha-very hevitra antsika tety. Ho hitantsika ny halehiben'ny herin'Ilay namonjy antsika, sy ny fomba nanirahana ny anjelin'Andriamanitra hiambina antsika teo am-panarahantsika ny tolo-tsaina avy amin'ny tenin'Andriamanitra.

Izay rehetra mandray Azy dia homen'i Kristy hery ho tonga zanak'Andriamanitra Mpamonjy vonona mandrakariva amin'ny fotoana ilana ny fanampiany Izy. (...) Tsy afaka hanameloka afa-tsy ny tenany ireo izay resy noho ny tsy nanoherany ny fahavalo. Afaka mankeo amin'i Kristy avokoa izay rehetra misafidy hanao izany, ka hahazo ny fanampiana izay ilainy. Eo aminao Ilay Mpanolo-tsaina mahery nandritra fotoana nifandimby, ary manasa anao mba hatoky Azy tanteraka. Hiala Aminy ve isika ka hitodika amin'olombelona tsy azo antoka, izay tsy afa-miala amin'ny fiankinana amin'Andriamanitra tahaka antsika ihany? Tsy takatsika mihitsy ve ny tombontsoa ananantsika? Tsy meloka ve isika noho fahakelezan'ny fanantenantsika ka tsy mangataka amin'Andriamanitra izay iriny fatratra homena antsika?

"Ny famindram-pon'i Jehôvah no hambarako, dia ny fiderana an'i Jehôvah araka izay rehetra nataony tamintsika sy ny haben'ny fahasoavana tamin'ny taranak'Isiraely. (…) Fa hoy Izy: Oloko tokoa ireo, dia zanaka tsy mba handainga; ka dia tonga Mpamonjy azy Izy. Tamin'ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy, ary Ilay Anjelin’ny tavany no namonjy ireo." — Isa. 63:7-9. — HP, t. 257.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1:
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1:
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1:
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1:
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1:
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1:

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal